Mois : avril 2024

TSELATRA

Norobain’ny jiolahy ny moto scooter iray marika Kymco G5 teny Ambohitrarahaba, omaly. Naratra mafy vokatry ny vono nataon’ireo mpandroba ilay mpitondra moto. Notsaboina teny anivon’ny hopitaly HJRA izy. Hifampitadiavana ireo jiolahy. Vola mitetina 4 tapitrisa Ar voaroba tao amin’ny tokantrano miisa telo tao Ambohimanarivo, kaominina Imerintsiatosika, ny sabotsy 27 avrily […]

Maintirano: takalonaina efatra avotry ny Emmo/Reg

Ankizivavy 15 taona sy 12 taona ny roa tamin’ireo efatra avotry ny mpitandro filami­nana teny am-pelatanan’ny dahalo mpaka an-keriny, tao amin’ny fokontany Bemena, kaominina Andrea, distrikan’i Maintirano, afakomaly. Na­lain’ny olon-dratsy teny an-dalana ireo olona efatra ireo, ny 26 avrily teo, tamin’ny 2 ora tolakandro. Samy nanana ny toerana halehany ny […]

Ankoalabe ; Foroche dimy lahy tratran’ny polisy

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ Antalaha, ao Ankoalabe Antalaha, afakomaly, ny jiolahy dimy. Voarohirohy amina raharaha fanakorontanana sy fikambanan-jiolahy mivondrona ao anatin’ny fikamban-jiolahy mpanao herisetra antsoina hoe «Foroche» ry zalahy ireto. Marobe ireo fitairanana voarain’ny polisy momba ny fisiana andian-jiolahy manakorontana sady mampihorohoro ny mponina ao an-toerana. Nidina […]

Fipoahana herinaratra : Trano lehibe iray kila hotohoto teny Bemasoandro Itaosy

Nandravarava indray ny afo teny Ankadilalana, Bemasoandro Itaosy, omaly tolakandro. Trano lehibe iray misy rihana kila hotohoton’ny afo. Lasa lavenona ny ankamaroan’ireo entana tao an-trano. Ny akanjo teny an-koditra sisa! Nitrangana haintrano indray teny Ankadilalana Bemasoandro Itaosy, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Trano gasy lehibe iray misy rihana no kila […]