Mois : septembre 2024

Volley-« Open 2è Division » : hanao famaranana ny ASI sy ny VBCD

Hotanterahina anio, eny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, ny lalao famaranana ho an’ny “Open 2é division Anala­manga”, taranja Volley-ball, sokajy lehilahy. Hifanandrina amin’izany ny ekipan’ny ASI sy ny VBCD. Raha ny voka-dalao tamin’ny manasa-dalana, omaly, nandresy ny CSA, tamin’ny seta 3 no ho 0 ny VBCD, raha toa ka seta 3 no […]

Baolina kitra – D2 Nasionaly: hotolorana lelavola 12 tapitrisa Ariary izay tompondaka

Mitotaly 30 tapitrisa Ariary ny loka hozaraina amin’ity fifanintsanana “D2 Nasionaly World Cola Ligue des Champions” ity. Mahazo amin’izany ireo klioba telo voalohany sy ireo mpilalao mendrika ary ny mpanazatra nahita vokatra tsara indrindra. Nampahafantarin’ny mpitantana eo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) oma-ly, tetsy amin’ny orinasa Star Andraharo, ny […]

Toamasina: mikatona amin’ny 10 ora alina ny toeram-pisotroana

Tsapa ho nihena ny tsy fandriampahalemana any Toamasina, tao anatin’ny 20 andro lasa izay. Taorian’ny fanapahan-kevitra tsy maintsy hanakatonana ny toeram-pisotroana sy fandihizana rehetra amin’ny folo ora alina, nanomboka tamin’ny 21 aogositra lasa teo. “Mbola ho tohizana hatrany ny fanakatonana ireny toerana ireny”, hoy i Benan­drasana Cyril, Prefen’i Toa­masina, raha […]

Fahasalaman’ny reny sy ny zaza: nanolotra fiara miisa 11 ny Unicef

Natolotra teny amin’ny CHU HJRA, tamin’ity herinandro ity, ny fiara tsy mataho-dalana miisa 11, hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana avy amin’ny Unicef. «Ham­piasain’ny sampandraharaha misahana ny vaksiny, fahasalaman’ny fianakaviana ary ho an’ny faritra Ihorombe, Atsimo Andrefana, Fitovinay, Diana, Androy ary Analanjirofo ireto fiara vaovao ireto», hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, […]

Vontovorona: nitafa mivantana tamin’ ny mpianatra ny minisitra

Nidina mivantana teny amin’ny sekoly ambony polyteknika Vontovorona ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Nankasitraka ireo mpianatra amin’ny finiavana hanatanteraka ireo tetikasa eny an-toerana ny minisitra. Misy ny fanorenana trano misy rihana iray, izay fotodrafitrasan’ny fanjakana, eo koa ny “Atelier LuBan” iaraha-miasa amin’ny governemanta […]