Mois : décembre 2024

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 12, 13 ary 14 desambra ny foara « Noelin’ny Asa tanana » etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, andiany faharoa. Hampisongadinana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny famoronana, ny fiangaliana, toy ny kojakoja, firavaka, ny fitafy sy akanjo, ny sakafo, sy ny hafa. Hisy koa ny fampisehoana famokarana, fisakafoana, sns. Mitotaly 4 700 ny […]

FANONDRANANA ANTSOKOSOKO : Volamena 13,865 kilao tratra teny Ivato

Tratran’ny mpiasan’ny sam­pandraharahan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly 11 desambra, ny volamena milanja 13,865 kilao. Bolon­gam-bolamena « lin­gots » miisa telo ireo tratra ireo tao anatin’ny entana nentin’ny teratany malagasy iray. Handray ny sidina ET 852 an’ny kaompania Ethiopians Airlines, niainga teto Anta­nanarivo handeha hiondrana any Addis-Abeba ity mpandeha ity. Fantatra […]

Vita izy izay!

  Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fizotry ny fifidianana ho ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Tsy araka ny tombantombana sy ny fiheveran’ny maro azy hoe hisy korontana. Nisy ny tsy fahatomombanana, ekena izany! Saingy nampiavaka azy kosa, nisy hatrany ny vahaolana avy amin’ny tomponandraikitra. Tsy nanova zavatra betsaka ihany koa ny […]

TSELATRA

Naratra teo amin’ny lohany ny vehivavy iray voadonan’ny moto teny Anosy, omaly maraina. Niala taxi-be ka niampita ny arabe izy no notrongisin’ny moto nandeha mafy ho any Anosibe. Nentina haingana namonjy hopitaly ilay vehivavy. Na teo aza anefa izany, avotra soa aman-tsara izy. Gaboraraka tanteraka ny fifamoivoizana amin’izao. Lasan’ny jiolahy […]