Vita soa aman-tsara ny fety aman-danonana, nanamarihina ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy. Toy ny isan-taona, nisy hatrany ny zava-baovao manamarika izany. Miezaka rahateo ny hanaraka ny fivoaran’ny teknolojia Ramalagasy amin’ny endrika ivelany. Tsy miala lavitra ny fitsoky ny rivotra amin’ny jeopolitika maneran-tany kosa amin’ny votoatin’ny hetsika. Nahafapo aloha ny tolotra […]
Mois : juin 2025
Matso tetsy Mahamasina: niavaka ny filatroan’ny Tafika sinoa sy frantsay
Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fankalazana ny faha-65 taona nitsingerenan’ny fahaleovantena malagasy sy nijoroan’ny Tafika malagasy. Efa mahazatra ny maro amin’ny fankalazana tahaka izao ny matso, saingy nampiavaka ny tamin’ity taona ity ny fisian’ireo Tafika vahiny nandray anjara tamin’izany. Anisan’izany ny an-dry zareo sinoa sy frantsay. Ainga […]
Filoha Rajoelina Andry: “Mitaky fanoloran-tena ny fampandrosoana”
“Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana” no lohahevitra fankalazana ny 26 jona. Hafatry ny filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry, kosa ny hoe: “Mitaky fanoloran-tena ny fampandrosoana”. “Mila fiaraha-mientana ny fampandrosoana ny firenena. Mitaky fanoloran-tena isan’andro izany, mitaky firaisan-tsaina sy fo. Satria iray tsy mivaky isika miaraka mampandroso an’i Madagasikara.” […]
Vonoan’olona: lehilahy hita faty nivoa-dra
Naratra ny lohany ary nivoaka ra ny vavan’ny lehilahy iray hita faty tao amin’ny Village Touristique Mahajanga, omaly maraina. Tsikaritry ny mpandalo ny fisian’ny olona nitsirara tamin’ny tany. Tsy nihetsika intsony io lehilahy efa lavo amin’ny tany io sady nihosin-dra. Niantso ny tomponandraikitry ny filaminana sy ny mpitsabo hanao ny […]
Fanapahan-doha: lehilahy efatra voasambotry ny zandary
Lehilahy efatra avy any Soavina II, voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Borigadin’ny Zandarimaria Betafo, tamin’ity herinandro ity. Voarohirohy amin’ny famonoana sy fanapahan-doha raim-pianakaviana iray, 68 taona, tany amin’ny fokontany Soavina faharoa, kaominina Antohobe, distrikan’i Betafo, faritra Vakinankaratra, ny alin’ny 24 hifoha 25 marsa 2025 izy ireo. Naharitra volana maromaro […]




