Mois : juin 2025

Hivalona ny volana jona: tsy mahita mangirana ny teny malagasy

Sehatra vitsy kanefa mafonja. Eo amin’ny tontolon’ny fifandraisana sy ny teknôlôjia. Mbola fanjakan’ny teny malagasy diso fanoratra, diso tsipelina… Eo amin’ny fiainana andavanandro. Mbola ny teny vahiny no mampieboebo ny tanora, indrindra fa ny eny an-drenivohitra sy an-tanàn-dehibe… Mbola tena lavitra ny ezaka sy ny asa miandry vao ho tafapaka […]

Rallye – Bangsean Grand Prix: handray anjara Razanakoto Iaro

Hotanterahina ny 5 sy ny 6 jolay ho avy izao, any Thaill­ande, ny Bangsean Grand Prix, dingana fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Asie, amin’ny familiana fiarakodia (Grand Tourisme 4). Anisan’­ireo handray anjara ilay Malagasy mpanamory, Raza­na­koto Iaro ao amin’ny klioba Team Porsche B-Quick. Raha tsiahivina, mitana ny laharana faharoa vonjimaika, […]

FIBA 3X3 “World Cup”: ao anatin’ny 20 voalohany maneran-tany i Muriel sy i Livio

Na teo aza ny faharesen’ny ekipa malagasy tamin’ireo lalao 4 avy nataony, nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, tafiditra anatin’ny 20 voalohany maneran-tany, i Muriel sy i Livio. Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao 20 mendrika indrindra maneran-tany teo anivon’ny Fiba, omaly. Vaovao tsara ho an’ny Mala­gasy izany satria […]