Hotanterahina any Toamasina, ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Tonizia, ny 24 hatramin’ny 31 aogositra izao, ny fifaninanana ho an’ny U16, […]
Mois : juillet 2025
Rugby – «Awards Trophy» : Notolorana amboara ireo mendrika
Natao tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny fanolorana amboara ireo mendrika «Awards Trophy» ho an’ny kaomisionina Analamanga Rugby. Ity rafitra ity izay nisahana ny fiadiana ny ho tompondaka noho ny tsy mbola fisian’ny seksionina. Raha tsiahivina, nanomboka ny 5 oktobra 2024 ny fifaninanana ary nifarana ny 13 avrily 2025. […]
« Yas Coupe de Madagascar »: Hanao famaranana ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga
Hafana ny lalao eo amin’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Samy hiezaka haka ny amboaran’i Madagasikara ny roa tonta. Ny Elgeco Plus, miketrika pao-droa. Ny Fanalamanga, hiezaka ny handrombaka amboara voalohany ho azy. Hafana tanteraka! Hifanandrina eo amin’ny famaranan’ny amboaran’i Madagasikara, «Yas Coupe 2025», taranja baolina kitra, ny Elgeco […]
VAOVAO TAMBATRA
Niverina ny delestazy maharitra adiny 3, amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo sy ny manodidina (RIA), nanomboka omaly. Antony, mihena ny haavon’ny rano any Andekaleka, tsy ampy ny vokatra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Tsy mamokatra ny toby Vestop Antsirabe. Ny 11 jolay no nisy filazana delestazy farany nataon’ny Jirama. Vita ny 72% […]
Toekarena manga: Hanampy amin’ny fitrandrahana ny Befsa
Hampiroborobo ny toekarena manga ny fametrahana ny “Compte satellite dans l’économie bleue” (Befsa) entina hampandrosoana ny harinkarena faobe sy hametrahana ny fampandrosoana maharitra ny fitrandrahana ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Nivoitra izany nandritra ny fampahafantarana ity fitaovana vaovao ity, ny 17 jolay teo, tetsy amin’ny Carlton, Anosy. “Hamaritra […]




