Mois : juillet 2025

Fambolem-bary : Hanao ny tetikasa Rice ny Ambatovy sy ny Jica

Foto-tsakafon’ny Malagasy ny vary. Hanao ny tetikasa Rice ny orinasa Ambatovy, hanamafisana ny tombontsoa entin’ny asa ataony sy hametrahana ny fampandrosoana lovain-jafy any amin’ny faritra iasany. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy amin’ny masoivoho japoney, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa iraisam-pireneny, Jica. Tanjona ny hanohanana ny sehatry ny fambolem-bary any […]

Atsimo Andrefana: Fanoitran’ny toekarena sy fampan­drosoana ny tetikasa Base Toliara

Nitondra fanazavana mahakasika ny tetikasa Base Toliara, nandritra ny fihaonambe FER, ireo mpitantana ny orinasa. Anisan’izany ny tombontsoa ara-toekarena entiny, ny asa aterany, ny fandraharahana, sns. Niaraka namelabelatra ny asa fihariana ataony sy ny fiantraikany ara-toekarena, ny tale jeneraly ny Base Toliara, Ramahefarivo Jean Bruno, sy ny tale jeneraly ny […]

Serasera Diana sy Sava : Nanamafy ny fahaiza-manaony

Nanamafy ny fahaiza-manaony ireo talem-paritra sy delege miisa 21 eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ho an’ny faritra Diana sy i Sava. Nijery ny fizotran’ny fampiofanana ireo mpiasan’ny minisitera ny minisitra Mara Volamiranty Donna. Nambarany fa tanjona ny fanatsarana ny fomba fiasan’ireo tomponandraikitra hampiroboroboana ny maha olona. Niompana amin’ny […]

Nilalao teo an-tokotany : Naolan’ny tovolahy iray i Henintsoakely, 4 taona

Raharaham-pitsarana nahavariana ny mpanara-baovao ny antontan-taratasin’ady laharana faha-1810/RP/25- IS/ST/LT, tetsy amin’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, ny alakamisy 17 jolay teo, hanenjehana an-dRandriamarolahy Nambinin­tsoa Francky. efa voatazona vonjimaika am-ponja, ny 7 jolay lasa teo. Nandritra ny adihevitra teo amin’ny fotoam-pitsarana, nambaran’ny mpa­n­gataka onitra fa tia milalao “balançoire” ny zanak’izy ireo, efatra taona. […]

Fitaterana: Hiasa amin’ny fivorian’ ny Sadc ny teleferika

Tsy ho ela. Nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gerard, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavi-panjakana (TVM) fa efa eo am-pamaranana ny andrana ara-teknika ny fitaterana an-tariby, teleferika, mampitohy an’i Soarano sy Ivandry. “Ho tapitra amin’ny faran’ny volana jolay ho avy izao ny andrana ara-teknika. […]