Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy mpamaky fiara ao Mandrimena, kaominina Andoharanofotsy, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 aogositra teo. Nitsaitsaika nandroba ny fiara iray io lehilahy io. Novakiany ny jiro lehibe teo aloha ka nanao mora ny nangalany ny “batterie” niampy ny “auto-radio”. Tazan’ny mpiasa amin’ny toeram-pamatsiana solika […]
Mois : août 2025
Andavamamba Anjezika I : Lehilahy hita faty tao anaty rano
Nahitana fatin-dehilahy efa simba tao anatin’ny lakandrano Andriantany, tetsy Andavamamba Anjezika I, omaly. Tsy nisy nahafantarana azy afa-tsy ny akanjo nanaovany sisa. Nahatsikarika fatin’olona iray tao anatin’ny lakandrano Andriantany, fokontany Andavamamba Anjezika I ireo mpaka tsikafona, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Nampandre ny mponina sy ny tomponandraikitra avy hatrany izy […]
Zava-mahadomelina : 8 tapitrisa isan-taona ny maty vokatry ny fifohana sigara
Miha mahazo vahana eto amin’ny firenena ny fivarotana sigara sy paraky. Ankoatra ny sigara fahita andavanandro, maka laka tsikelikely ihany koa ny sigara elektronika. Loza ho an’ny firenena sy ny fahasalam-bahoaka nefa izy ireny. Mahatratra hatramin’ny 1,3 miliara ny olona heverina ho mpifoka sigara maneran-tany, raha ny antontanisa farany navoakan’ […]
Base Toliara : Miisa 650 ireo nisitraka ny «Asa Tagnamaro»
Nanao hetsika goavana ny orinasa Base, tany Mangily, ny 5 sy 6 aogositra teo. Nitotaly 650 ny olona nanatanteraka « Asa Tagnamaro » tany an-toerana. Fanadiovana faobe nandraisan’ny olona mahatratra 200 anjara, tany amin’ny morontsiraka Mangily, ary 200 hafa tany Ifaty. Nesorina ny fako plastika teny amorontsiraka. Notsipihin-dRtoa Ravaoarisoa Tahina, tomponandraikitry ny […]
Asa tanana : Maro ny manjifa ny vokatra sokitra
Anisan’ny taozavatra malagasy miavaka ny sokitra. Miha maro ny olona liana sy manjifa ny vokatra mandritra ny tsenabe « Fier-Mada 2025 » andiany faha-26, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, nanomboka ny 6 aogositra ary hifarana ny 10 aogositra 2025. Mikendry ny hampifanakaiky sy hampihaonana mivantana ny mpamokatra sy ny mpanjifa mba hampiroboroboana ny […]




