Mois : août 2025

« Fier Mada » : Misongadina ny vokatra malagasy

Anisan’ny hampiavaka ny « Fier Mada 2025 » ny fisian’ny fivoriamben’ny Sadc hatao eto amintsika. Ahafahana mahafantatra sahady ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana. Atao eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny 6 hatramin’ny 10 ao­gositra izao, ny Tsenabe iraisam-pirenena “Fier Mada”, andiany faha-26. Nitsidika teny an-toerana, omaly, ny Sekreteram-panjakana misahana ny […]

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fanomezana ireo fitaovam-pianarana, toy ny kahie, sns… Natao ho an’ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana izany. Kilasy T1 hatramin’ny T5 maherin’ny 1 tapitrisa no hisitraka ny fitaovana manerana ny Nosy. Ny filankevitry ny minisitra ihany koa no nankatoa ny hamerenana ny foibem-pahefana misahana ny fananganan-jaza malagasy, hanolo […]

East African Girls Empowerment and Resilience : Hentitra ny fanaraha-maso ny vatsim-pianarana

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny momba ireo masontsivana amin’ny fahazoana vatsim-pianarana sy ny fitantanana ny tahirim-bola ao anatin’ny fandaharanasa East African Girls Empowerment and Resilience (Eager), izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena . Fanamafisana ny fanabeazana, fizakan-tena ary fahafahan’ireo ankizivavy sy vehivavy miharindoha no tena tanjon’ny fandaharanasa. Tafiditra […]

Fondation Axian : Nahazo fitaom-pianarana ny FCRA

Ho fiatrehana ny fampidirana mpianatra ho an’ny taom-pianarana 2025-2026, nanohana ireo ankizy zanaky ny fiankaaviana sahirana sy kamboty etsy amin’ny Fifanampiana Centre Rassoul Akram (FCRA) Antohomadinika ny Fondation Axian. Nitondra kojakojam-pianarana ho fankaherezana ireo ankizy hanohy fianarana sy hazoto amin’izany ny fikambanana. 400 ny kit scolaire nozaraina amin’ireo mpianatra. Misy […]

“Bazar de la Sadc”: Hisokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny taozavatra malagasy

Marolafy ny hetsika hotanterahina ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Hisongadina ny fisokafan’ny foibe fampirantiana iraisam-pirenena eny amin’ny Lac Iarivo izay handray ny hetsika “Bazar de la Sadc”. Hatao eny amin’ny Lac Iarivo, ao amin’ny foibe fampirantiana iraisam-pirenena, ny hetsika “Bazar de la Sadc”, ny 14 hatramin’ny 18 aogositra izao. Nohaza­vain’ny […]