Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), omaly, hiara-miasa amin’ny Sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny fambolena sy ny sakafo (FAO) izy ireo hanangana tetikasa hanatsarana ny jono madinika eto Madagasikara. Fantatra fa ny 97% ny vokatra amin’ny jono eto amin’ny Nosy dia avy amin’ity sehatra ity avokoa, […]
Mois : septembre 2025
Raharaha « boeing 777 » : Nesorina ny tale jeneralin’ny ACM
Araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, natao afakomaly, nesorina teo amin’ny toerana maha tale jeneralin’ny Kaomisiona mitantana ny sidina ana habakabaka (ACM) azy, ny kolonely Gervais Damasy. Antony iray nahatonga izao fanapahan-kevitra izao ny raharaha “Boeing 777”, izay naiditra antsokosoko any Iran. Mbola voatazona vonjimaika any am-ponja moa ity […]
Fampandrosoana ny sehatry ny varotra : Hanatsara ny tolotra sy ny vokatra aondrana ny Fanjakana
Hametraka paikady vaovao hanatsarana ny vokatra aondrana any ivelany i Madagasikara. Nisy ny atrikasa natao omaly, teny Anosy, mahakasika izany. Notanterahina tetsy Anosy, omaly, ny atrikasa lehibe nokarakarain’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), tohanan’ny Padeir. Araka ny fanazavana voaray, nifantoka tamin’ny fanamafisana ny varotra ivelany ny atrikasa. […]
INDRAY MIJERY
Niofana momba ny fandrafetana ny didy fampiharana ny Document unique d’évaluation des risques (Duer) sy ny fanaraha-maso ny asa aman-draharaha momba ny fambolena ataony ny Inspecteur du travail. Tanjona ny hampiroboroboana ny asa mendrika sy ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy. Tetikasa manome vahana ny kolontsaina fandraharahana dieny eny amin’ny kolejy […]
Behoririka – Antanimena : Napetraka ny lamina vaovao
Nandray fanapahan-kevitra ho amin’ny fandaminana ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanomboka tamin’ity hereinandro ity, voarara ny fiantsonan’ ny fiara eo amin’ny lalana Naka Rabemanantsoa, manomboka eo amin’ny auto-école Cedric, hatreo amin’ny Immeuble Santa. Tsy voakasik’izany kosa ny fiaran’ireo mponina manodidina sy nahazo alalana manokana. Handraisana fepetra ny ankoatra izay. […]




