Mois : septembre 2025

Mahajanga : Olona 6 isan’andro no voaporofo fa voan’ny Sida

Nandritra ny fandraisan’ny governoran’ny faritra Boeny ny delegasionin’ny fahasalamana sy ny ONUSida no nahafantarana fa mirongatra ny aretina Sida ao Mahajanga. Olona 6 isan-kerinandro no fantatra fa mitondra io tsimokaretina io . Ao Mahajanga no misy ny taha ambony indrindra eto Mada­gasikara. Anisan’ny firenena tena be olona mitondra ny tsimokaretina […]

Fifamoivoizana an-tariby: Voatazona ny kalitaon’ny fitaterana

Lasa andavanandrom-piainan’ny mponina mipetraka eny Ivandry mamonjy asa sy fianarana eny Anosy ny fampiasana ny fitaterana an-tariby. Voatazona ny kalitaony raha ny tomban’ny tomponandraikitra. Nanamafy ny filaminana sy ny fandrindrana ary ny fitazomana ny kalitaon’ny fitaterana teleferika ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Gérard Andri­amanohisoa. Tsikarika isan-kariva […]

TARATRY ny KANTO

Eletrauma, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Anarana tarika toa vaovao, kanefa efa fantapantatra ihany ireo mpikambana, izay efa mpiaraka hatry ny ela: Kevin Mirija (saxophone), Finoana (ampongamaroanaka), Miranto (gitara) ary i Vazo (gitara beso). Hiaka-tsehatra, anio manomboka amin’ny 8 ora alina, izy ireo, hizara mozika maroloko. Miainga amin’ny jazz, mandalo […]

« Angaredona Mozika Festival » : Handray vahiny mpanakanto Ambohimanga

« Kolontsaina mampiray firenena ». Tsy lohahevitra voizina fotsiny fa tena zava-misy marina io. Izay no hindrahindrain’ny “Angaredon Mozika Festival”, izay miditra amin’ny andiany faha-19 amin’ity taona ity. Hotontosaina ny 13 hatramin’ny 21 septambra izao ity hetsika goavana ho an’ny mozika miaina ity, eny Ambohimanga Rova. “Han­dray vahiny mpanakanto roa, […]

“Madajazzcar Festival 2025”: Ahitana fivelarana lehibe ny andiany faha-36

Iray amin’ireo hetsika kolontsaina lehibe indrindra fanao isan-taona ny “Madajazzcar Festival”. Misy hatrany ny fanatsarana sy ny fanatevenana. Tranga mitarika any amin’ny fivelarana lehibe, amin’ny lafiny maro izany. Tafiditra ao anatin’ny an­diany faha-36 ny “Mada­jazzcar Festival” ho an’ ity taona 2025 ity. Fisokafana sy fivelarana lehibe no ho hita manomboka […]