Nitombo ho adiny 4 ora sy sasany ny faharetan’ny delestazy eto an-dRenivohitra, nanomboka omaly talata 9 septambra. Naharitra adiny 4 ora mantsy izany teo aloha, ary adiny 3 ora talohany. Azo antoka fa mbola hihamafy izany atsy aoriana kely, izay fotoana vao hanombohan’ny maintany izao. Mitohy ny asa fanamboarana ny […]
Mois : septembre 2025
Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga : Atrikasa ho fanamafisana ny ady amin’ny tsy ara-dalàna
Tontosa tao amin’ny Novotel Alarobia, omaly, ny fanokafana ofisialin’ny atrikasa fampiofanana ho an’ireo teknisianina marolafy misehatra amin’ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna. Ity atrikasa ity, karakarain’ny Global Fishing Watch (GFW), ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 12 septambra ho avy izao. Ity hetsika ity, hiarahan’ny GFW misalaha amin’ny minisiteran’ny Jono […]
Fitantanana ny Instat : Hitondra herijika vaovao ny tale jeneraly
Notanterahina omaly, tao amin’ny birao nasionaly misahana ny resaka antontanisa (Instat) tetsy Anosy, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneraly mpisolo toerana, Razafimiarantsoa Tovonirina Théodore, sy ny tale jeneraly vaovao, Rakotomanana Eric Jean Michel. Niarahaba sy nankasitraka ny tale jeneraly vaovao ny lehibe mpisolo toerana ary nisaotra ny fitondram-panjakana tamin’ny fanomezana […]
Filoha Rajoelina Andry : Hamafisina ny fanjakana tsara tantana
Noraisin’ny Filoham-pirenena, Rajoelina Andry Nirina, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny solontenan’ ny FMI. Nanatrika izany teny an-toerana ireo minisitra sasany sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Nitarika fivoriana arakasa niaraka tamin’ireo solontenan’ny «Fonds Monétaire International» (FMI) ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nambaran’ny filohan’ny repoblika, nandritra […]
Clément Jaona : “Sarotra ny fampiakaran-draharaha amin’ny Fitsarana avo”
“Tsy maintsy ao amin’ny tonia voalohany mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana ambony no apetraka ny fitoriana momba ireo tomponandraiki-panjakana ambony”. Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Clément Jaona, ny amin’ny fitsarana tomponandraiki-panjakana ambony, toy ny minisitry ny Fitaterana teo aloha ny amin’ny “Raharaha boeing 777”. Manao fanadihadiana ny tonia voalohany […]




