Mois : octobre 2025

Mpisehatra eo amin’ny kanto: Hisy fampiofanana ao amin’ny CGM/GZ

Misy asa maro manodidina ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mamelona fianakaviana maro rahateo izany maneran-tany. Ny ankamaroany anefa, tsy nisy tena nianatra momba ireo asa manodidina ny zavakanto, fa vokatry ny traikefa mitambatambatra eny fotsiny. Noho ny fahatsapana izany indrindra no nahatonga ny CGM/GZ hikarakara fiofanana ho an’ireo te hisehatra […]

Toliara : Hotontosaina foana ny « Vez’Tival »

Hetsika mampiray, mampihavana ka tena ilaina amin’izao vanim-potoana izao. Hatao foana ny « Vez’Tival » andiany faha-9, ao Toliara. Fihaonambe ny « Vez’­Tival », izay endrika firaisankina sy fihavanana izay hatrany no novoizina nan­dritra ireo andiany teo aloha. Hiditra amin’ny andiany faha-9 kosa ny hetsika amin’ ity, izay hotontosaina ao To­liara, ny 24 hatramin’ny […]

TSELATRA

Nitrangana haintrano tany amin’ny fokontany Mangily, Toliara II, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Ni­tsoaka mafy ny rivotra ary niitatra haingana be ny afo. Vokany, olona efatra niara-namoy ny ainy. Nahitana renim-pianakaviana iray sy ny zanany telo. Ankoatra izay, trano 10 mahery ihany koa no rava sy kilan’ny afo tanteraka. Lehilahy […]

Ifarihy Atsimondrano : Lehilahy niharan’ny vono hita faty

Raim-pianakaviana hita faty niaraka tamin’ny aroloha fampiasa mitondra moto teny Ifarihy, distrikan’­Atsi­mon­dra­no, omaly. Mpandalo handeha hiasa maraina no nahatsika­ritra io lehilahy io, nitsirara tamin’ny tany. Niosin-dra sady simba tanteraka ny faritry ny tavany. Navelan’ireo olon-dratsy tsy lavitry ny toerana fanaovam-biriky izy. “Tsy mpo­nina ety an-toerana io hita faty io”, hoy […]

Ambalavao Isotry : Lehilahy iray tratra nangarom-paosy

Voasambotry ny polisim-pirenena tetsy Ambalavo Isotry ny lehilahy iray, 18 taona, afakomaly hariva. Tratra nangarom-paosy mpandeha iray teny an-toerana izy. Lasibatry ny asa ratsy nataony tamin’izany ny vehivavy iray, 20 taona, hamonjy fo­diana. Very tamin’izany, ny finday marika Infinix Smart 5 tao anaty poketrany. Niantso vonjy avy hatrany ity niharam-boina […]