Mois : octobre 2025

Moramanga : Nisitraka fitsaboana ireo zokiolona

Toy ny fanao isan-telovolana, nanatanteraka fizaham-paha­salamana maimaimpoana tao amin’ny Akany Fiadanantsoa Moramanga ho an’ireo mpiady tia tanindrazana ny minisite­ran’ny Foloalindahy sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny herinandro teo. Ireo zokiolona 65 taona no ho mihoatra ao amin’ity distrika ity no nisitraka izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisiteran’ny Mpo­nina sy […]

Fihaonana teny Iavoloha : Nivavaka ho an’ny firenena ny filoha sy ny FFKM

Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa maromaro ireo fihaonana marolafy nandraisany olona samihafa tao anatin’ ny 72 ora teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Anisan’izany ny eo ani­von’ny FFKM ka niresahana ny toe-draharaham-pirenena. « Nandray ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM aho. Nidinika lalina ny amin’ny toe-draharaha misy eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitotongana tanteraka ny fidiram-bolan’ny mpitatitra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, nanomboka tamin’ny nisian’ny fihetsiketsehana, ny 25 septambra teo. Ny tapakandro maraina sisa izy ireo no afaka miasa, nefa koa kely ny vola miditra satria vitsy ny mpandeha. Nilaza ny mpitatitra amin’ny taxi-be 109, avy any Antanandrano Ambohitrarahaba man­keny Anosy, fa […]

Sempidou : Nanambara fa hanao fitokonana faobe

Taorian’ny fivoriambe tsy ara-potoana nataon’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fandintseranana, Sempidou. Nanao fanambarana ho an’ny rehetra izy ireo, omaly, tetsy Anka­difotsy. Nisongadina tao anatin’izany ny filazana fa hanao fitokonana faobe mandritra ny telo andro ny mpiasan’ny fandintseranana rehetra mane­rana an’i Madagasikara. Araka ny fanazavana na­taon’izy ireo, mbola misy ihany ny tolotra hatao […]

Lalam-pirenena fahafito: Mandeha ny fanarenana ny faritra tena ratsy

Anisan’ny lalam-pirenena harenina ihany koa ny RN7, miaraka amin’ny RN2, ny RN4, ny RN6, sns. Manara-penitra sady tsy maintsy hajaina ny fe-potoana hanaovana ny asa. Miisa efatra ny ampahan-dalana anisan’ny harenina any amin’ny faritra Amoron’i Mania. Amin’izao fotoana, asa atao ny fanadiovana ny manodidina ny lalana (cantonage) sy ny anaty […]