Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Anisan’ny mahatonga izany ny hamaroan’ny vokatra eo amin’ny tsena, nefa kely ny tinady na ny mpanjifa. Tafidina amin’ny vidiny ambany indrindra ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, nanomboka ny volana mey 2025. Omaly, tafidina 64,90 dolara ny salam-bidin’ny iray barila (=159 litatra) […]
Mois : octobre 2025
SOMBIM-BAOVAO
Nanainga ny alakamisy alina teo ny delegasionina malagasin’ny taranja Échecs, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy “Jeunes”, tanterahina any Durres, Albanie. Aina Masambatra, Irvin Keynnan, Miarana Irinah ary Dimbiharentsoa Christiana no nanainga teto Madagasikara ary hamonjy an’i Fitia Noah sy Sombin’Aiko efa any an-toerana. I Verné Prinsloo, teratany Afrikanina […]
Judo-“tournoi de Hainaut”: Mpikatroka 7 avy amin’ny JCA handray anjara
Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity ny fifaninanana “Tournoi de Hainaut”, taranja Judo, izay hatao any Belgique. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena amin’ny alalan’ny Judo Club Atrika (JCA) Atsinanana. Ny mpanazatra, ny Maître Raoelison Annie no hitarika ny delegasiona malagasy, izay ahitana mpikatroka 7 mianadahy. I Davidson […]
CAF : Amin’ny alatsinainy ny fivoriambe
Araka ny tetiandro napetraky ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf) ao amin’ny tranokalam-pifandraisany, omaly, hotanterahina amin’ny alatsinainy 6 oktobra izao, any Repoblika Demokratika Congo (RDC) ny andiany faha-47 amin’ny fivoriamben’ny Caf. Hiavaka izany satria handray ireo andrarezin’ny baolina kitra afrikanina fahiny ny tomponandraikitra. Anisan’izany i Florent Ibenge (RD Congo) sy […]
Valin-kasasaran’ny “Chan 2024” : Efa tonga ny vola ho an’ireo mpilalaon’ny Barea
Anatin’ny fikarakarana ny fizarana ny tambin-karaman’ny Chan, azo avy any amin’ny Kaofederasionina afrikanina ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’izao fotoana izao. Nihaona tamin’ny filohan’ny FMF ny delegasionin’ny Barea. «An-dalam-piketrehana ny masaka ! » Araka ny vaovao voaray omaly, fantatra izao fa efa tonga ao amin’ny kaontin’ ny FMF ny tambin-karaman’ny Barea […]




