Naneho hevitra ny avy amin’ny antoko ARB, tarihin-dRaobelina Andry. Nambarany fa hetsi- bahoaka izao ka tsy azo sakanana ny herim-bahoaka rehefa mifoha. Nitsangana ny vahoaka malagasy rehefa tena reraka sy leo ary tapa-kevitra. « Asesiky ny fitiavan-tanindrazana sy ny faniriana ho amin’ny fiovana marina izany », hoy izy. Naneho hevitra ny depiote […]
Mois : octobre 2025
Hetsika nahazoana alalana : Hampiseho ny tanjany eny Antsonjombe ny Irmar
Anio vao tena raikitra ny hetsika hotarihin’ny eo anivon’ ireo vovonana mpanohana ny filoha Rajoelina Andry, iarahana amin’ny Irmar. Haneho ny heriny amin’ny fanohanana ny fitondrana izy ireo amin’izany. Nambaran’ny eo anivon’ny Prefektiora, amin’ ny alalan’ny Jly Ravelonarivo Angelo, mitarika ny OMC, fa nomena alalana izy ireo amin’ izany hetsika […]
Tsy ampy fanetren-tena
Tsy ampy fanetren-tena ny olona! Izay no azo hamehezana ny toe-javamisy amin’izao fotoana izao. Toa samy mandeha mijonjorombona fotsiny arakaraka ny toetoe-pony. Manao izay mahafalifaly sy maka ambiansy araka ny fahitany ny zava-mitranga. Hatreto, tsy voafaritra mazava ny tena tanjona iraisana, samy mandeha samy mitady aloha. Izato zatovo mpanao fitakiana […]
Filoha Rajoelina Andry : “Tsy misy ady tsy voavahan’ny fifampiresahana”
Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara, amin’izao. Korontana, ady… “Tsy misy korontana sy ady ary ifandrafesana tsy voavaha ao anatin’ny fifampiresahana”, hoy ny tafan’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny vahoaka. “Tsy misy korontana sy ady ary fandrafesana tsy voavaha ao anatin’ny fifampiresahana eo ambony latabatra. Izay no niantsoako ny ankolafin-kery sy mpitondra fivavahana […]
TSELATRA
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, omaly, ireo olona telo tratra nandroba teny amin’ ny tranombarotra China Mall Ankazomanga, ny alin’ny alakamisy 25 septambra 2025 lasa teo. Niakatra fampanoavana omaly, tetsy anivon’ny fitsarana moa izy rehetra ireo ka izao naiditra am-ponja izao. Mbola mitohy hatrany ny fisamboran’ny brigade anti-pillage ireo […]




