Efa seha-pamokarana lehibe sy mahaleo tena amin’ny lafiny maro ny zavakanto sy ny kolontsaina any amin’ireo tany tandrefana. Nihazakazaka loatra aza raha oharina amin’ny an’ny hafa. Telozoro lehibe nandrakotra ny kaontinanta dimy ny fifandrohizan’ny fampivelarana ny zavakanto sy ny kolontsaina maneran-tany. Notrandrahina taty Afrika, tany Amerika Latinina. “Namboamboarina” tany Eorôpa […]
Mois : octobre 2025
INDRAY MIJERY
Misy fiantraikany mivantana amin’ny famatsiana ny tsenam-pokontany ny savorovo miseho amin’izao fotoana. Betsaka ny entana na sakafo tsy hita eny amin’ny toeram-pivarotana samihafa ka mampiakatra ny vidiny ireo mpivarotra manana izany. Fihetsika hita taratra ny fanararaotana rehefa ao anatin’ny tsy filaminana tahaka izao. Mitaintaina ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany […]
ONPM : Hanohana ara-tsaina ireo kivy vokatry ny krizy
Manoloana ny vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena, izay miteraka havizanan-tsaina ho an’ny maro, mitondra fitsinjovana sy tohana maimaimpoana ny Holafitry ny Psykology eto Madagasikara (ONPM). Tolotra maimaimpoana sy an-tsitrapo momba ny tohana ara-tsaina no hataon’izy ireo amin’izany. Misy ny toerana hifampizarana azo antoka ho an’ny fihainoana sy fanohanana izay iarahana amin’ny […]
FMBM: Miezaka miarina taorian’ny faharavana
Anisan’ny voaroba ary nodorana mihitsy ny foiben’ny Fikambanana mampiely Baiboly(FMBM). Maro ny faharavana, saingy an-dalam-panarenana ny ekipa amin’izao fotoana. Mifarimbona amin’izy ireo ny tsara sitrapo sy ny avy amin’ ny fikambanana mpiara-mamaky Baiboly amin’ny fanadiovana sy ny famerenana amin’ny laoniny indray ity foiben- toerana ity. Maro ny kristianina tohina tamin’ny […]
“First Foods Africa”: Iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy aty Afrika
Mbola olana amin’ny fahasalaman’ny ankizy ny tsy fisitrahana sakafo ara-pahasalamana hitondra fitomboana ara-batana sy ara-tsaina eo aminy. Nametraka hetsika iraisana i Afrika iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miaraka amin’ny Unicef sy ny Vondrona afrikanina. Nampahafantarina tamin’ ity herinandro ity, tany Cotonou (Bénin), ny “First Foods Africa” iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mianjady […]




