Tafiditra ao anatin’ny fanavaozan-drafitra apetraky ny fanjakana ny Politika hampandrosoana ny orinasa, fototry ny fampandrosoana ny toekarena. Hojerena manokana ny fomba hanampiana ny Malagasy mpandraharaha. «Hamolavola politika ho fampiroboroboana ny orinasa ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Hapetraka ihany koa ny Tahirim-pirenena entina […]
Mois : novembre 2025
Kabary: Feno 62 taona ny Fi.Mpi.Ma
16 novambra 1963 – 16 novambra 2025. Feno 62 taona katroka rahampitso ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ho fanamarihana izany ny « Takalo dinika amorom-patana » hotanterahina rahampitso, ao amin’ny Havoria, Anosy. Hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, hamelabelatra ny lohahevitra: « Ny soatoavina malagasy […]
Sarimihetsika malagasy : Mbola maro ireo olana mila vahan’ny mpisehatra
Mbola lavidavitra ny tena famirapiratana ho an’ny sarimihetsika malagasy. Anisan’ireo sokajy « nafana » tamin’ny fakan-kevitra natao ny alakamisy teo koa ity seha-kanto iray ity. Misy vahaolana anefa avy amin’ireo mpisehatra. Lalàna mifehy, rafitra misahana, fahaiza-manao, fitaovana, sns. Samy mbola ahitana olana avokoa izany, ho an’ny sarimihetsika malagasy. Vory lanona ireo mpisehatra, […]
INDRAY MIJERY
Ho mora kokoa ny fiforonana orana tandrifin-drahona ho an’ny ilany avaratra andrefana sy ny afovoan-tany. Mbola ahina ihany koa ny hisiana havandra ho an’ny afovoan-tany. Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo atsinanan’ny Nosy. Vinavinaina hahatratra 55 km isan’ora ny hamafiny, anio, eo anelanelan’i Manakara sy Taolagnaro. Nanome […]
“Peace Corps” : Amerikanina 20 mianadahy nanao fianianana
Nanao fianianana omaly ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina vaovao, miisa 20, avy amin’ny Peace Corps. « Sambany teo amin’ny tantarany no nisy teratany Malagasy-amerikanina nilatsaka an-tsitrapo manao fanoloran-tena ho an’ny tanindrazany. Hitombo izany ny Malagasy hoavy hanao asa soa amin’ny alalan’ny Peace corps aoriana ao”, hoy ny masoivoho amerikanina. Nandritra ny fianianana […]




