Mois : novembre 2025

Bas Mangoky : Sompitr’Atsimo Andrefana

Nitohy tany amin’ny lemak’i Bas Mangoky, distrikan’i Mo­rombe, ny dian’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rasatarimanana José Nirina, ny 21 novambra 2025 teo. Toerana anisan’ny sompitry ny vary any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny. Mirefy 7 750 ha ny velaran-tany any amin’ny lemak’i Bas Mangoky. Tototry ny fasika anefa […]

« Mada Best Deals » : Haverina amin’ny laoniny ny endrik’i Madagasikara

Vita sonia ny 21 novambra teo ny fifanarahana firaketana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), ny ONTM, ny Ravinala Airports ary ny Madagascar Airlines. Napetraka ny « Ndao hiarahana mamerina ny endrik’i Madagasikara » (Reim). Iarahan’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM) manatanteraka amin’ny mpiara-miombon’antoka maromaro ny hetsika. Hita ao avokoa […]

TARATRY ny KANTO

Anisan’ny adin-kiragasy goavana indrindra hatramin’izay. Hotanterahina etsy amin’ny Kianja Ra Petit, ambadiky ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny alahady 30 novambra izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina, ny « Hiragasy makotroka ». Hikatroka amin’izany ny tarika Rasoalalao Kavia avy any Ampa­himanga sy ny tarika Fredy Kely avy any Imerin­tsia­tosika. Tarika roa samy manana ny […]

Collection Vakoka : Boky roa ho an’ny tanora

« Jean-Joseph Rabearivelo, un poète entre deux mondes » na « Poeta miroa tontolo », sy « Jacques Rabe­ma­nanjara, poète engagé » na « Poeta sy mpitolona ». Boky roa vaovao, saingy miresaka ireo andrarezin’ny literatiora malagasy, nametraka ny diam-peniny holovain’ny taranaka. Izay indrindra ny tanjon’ny Collection Vakoka tamin’ny namoahana ireto boky ireto: hampita amin’ny tanora ny mombamomba […]