Mois : décembre 2025

Fakafaka: Fanavaozana inona?

Fanavaozana, fanovana toe-tsaina, fananganana rafitra vaovao. Voambolana malaza amin’izao fotoana ireo, satria anatin’ny vanim-potoana tokony hitondra mankany amin’ny fiovana i Madagasikara. Inona ny mahakasika ny kolontsaina, amin’izany fanavaozana izany? Izy rehetra. Mba tsy hilazana fa ny lafiny kolontsaina mihitsy no kitihina amin’izany. Saingy mety ilay voambolana« fanavaozana » no tsy mampitovy hevitra. […]

«Salon de la gastronomie», andiany faha-11: Homen-danja manokana ny vokatra sokolà

Hetsika lehibe ho an’ny hainahandro eto Madagasikara. Hanasongadina ny akora, ny vokatra ary ny fahaiza-manao malagasy izy ity. Sehatra ifaneraseran’ireo matihanina amin’ny hainahandro ihany koa. Saika hatao ny volana septambra teo, saingy voatery nahemotra noho ny toe-draharaha. Efa feno kosa izao ny fepetra, ka ho­tontosaina ny 18 hatramin’ny 20 desambra […]

Gem : « Mila apetraka ny fifampitokisana »

Nifanakalo hevitra momba ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy eto an-toerana sy avy any ivelany. Nandritra ny Fi­haonambe stratejika voalohany, “Re Gem”, ny zoma teo izany. Nasonga­din’ny filohan’ny Gem, Rabari­john Francis, fa ilaina ny fifampitokisana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra […]

Fitaterana an-dalamby : Nisokatra ihany ny « Train Urbain »

Nanomboka omaly, ny zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe, tetikasa « Train Urbain », mampitohy an’i Soarano hatreny Ambohimanambola. Hitombo tsikelikely ny isan’ny fiaran-dalamby hiasa. Indro isan’andro, aty am-boalohany, ny zotra miainga eo Soarano hatreny Ambo­hima­nambola, mirefy 16 km. Atao ao anatin’ny 45 minitra, ka 2 mi­nitra isaky ny toeram-pian­tso­nana miisa enina (Ampefilo­ha, Soanierana, Ambohipo, Andron­dra, […]

INDRAY MIJERY

“20 taona niasana mba hisakafo tsara ny ona rehetra, andao raona hiara-hihetsika hampandroso ny fanjarian-tsakafo”. Io no lohahevitra nanamarihana ny Androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo andininy faha-20 sady ho famaranana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny ONN natao tany Ambositra, ny faran’ny herinandro teo. Tombanan’ny mpamantatra ny toetr’andro ho betsaka ny rotsakorana […]