Hanatanteraka kaonseritra lehibe etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina ny tarika Reko, ny alahady 28 desambra ho avy izao. Hetsika karakarain’ny Studio 58. Manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana, entina hanakatonana ny taona 2025. Nampanantena seho vaovao miavaka sy avo lenta indray ny tarika taorian’ny fampisehoana nataon’izy ireo […]
Mois : décembre 2025
Tanora Masina Itaosy: Eny Ambohimasina ny « Réveillon »
Hifarana tsy ho ela ny taona 2025. Hanatanteraka « Réveillon » ao amin’ny FLM Ambohimasina ny Tanora Masina Itaosy (TMI), ny alarobia 31 desambra, manomboka amin’ny 8 ora alina. « Izahay dia mijoro vavolombelona fa hafa ihany ry zareo izany miandry ny taona vaovao any an-tranon’Andriamanitra izany », hoy ny TMI raha namintina ny […]
Gadona tsapiky: Nosafidiana ho harembakoka eo anivon’ny Unesco
Tsy manam-paharoa maneran-tany ny gadona tsapiky. Feno ny fepetra nandraisan’ny Unesco azy, ho harembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona. Dingana goavana ho an’ ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Voasokajy ho anisan’ireo harembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanakolombelona eo anivon’ny Unesco ny gadona tsapiky. Fantatra io nandritra ny […]
INDRAY MIJERY
Natao tao amin’ny BNGRC, tamin’ity herinandro ity, ny fivoriana niarahan’ny prefektiora 18 manerana ny Nosy, ho fanomanana ny taom-pahavaratra 2025–2026. Nandinika ireo asa vita sy ireo fepetra ilaina hiatrehana ny tranga ara-toetr’andro. Anisan’ireo nandray anjara ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, izay nitondra ny vinavina momba izany ho an’ny […]
Vaksiny miaro amin’ny HPV : Marisarisa hamela ny zanany ny ray aman-dreny
Zava-doza ny tsimokaretina Papillomavirus humain (HPV) aty amin’ny firenena andalam-pandrosoana. Mitarika amin’ny homamiadan’ ny vozon’ny tranon-jaza izany, antony faharoa mahafaty ny vehivavy eto Madagasikara sy maneran-tany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy amin’ny Médecins du monde, Rakotovololona Nathalie. Ireto farany izay ao anatin’ny Coalition forum génération égalité (FGE) miady ho an’ny […]




