Mois : décembre 2025

VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fakankevitra niarahana tamin’ireo mpandraharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany. Nifantoka tamin’ny famaritana ireo «Akora mineraly stratejika» (SMS) misy eto Madagasikara ny natao teny amin’ny BCMM Ivato, omaly. Nambaran’ny minisitera fa tafiditra ao anatin’ny fanadiovana sy fanovana ity seha-pihariana ity isika izao. Dingana vitsy sisa dia ho afaka hitrandraka amin-kalalahana […]

Indostria: Omen-danja ny vokatra mampiavaka ny faritra

Hanolotra volavolan-dalàna ho fanandratana ny vokatra mampiavaka ny faritra tsirairay avy ny minisiteran’ny Fam­piroboroboana ny indo­stria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) ho fiarovana izany. Tetikasa iara­hany amin’ny Omapi, ran­tsamangaika misahana ny fizaka-manana ara-indostria. Tafiditra ao anatin’izany ny vokatry ny fambolena, ny asa tanana ary ny vokatra voa­hodina. […]

Vokatra fanondrana : Atao malalaka ny vidin’ny lavanila

Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana fa atao malalaka ny vidin’ny lavanila manoloana ny fitobahan’ny tahiry eto an-toerana sy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Fepetra noraisin’ny komity teknika momba ny lavanila izay misy ny fiadidian’ny Repoblika, ny Primatiora sy ny minisitera samihafa izany. Tanjona ny hahafahan’ireo mpisehatra manitsy malalaka […]

Rafitra CGES : Mitaky andraikitra ho an’ny mponina misitraka ny Faritra arovana

Nivoaka ny bokibe CGES, mirakitra ny fitantanana maharitra ny Faritra arovana. Fiovana lehibe ao anatiny ny hisitrahan’ny mponina eny ifotony ny fitantanana, izay mitaky andraikitra ho azy ireo ihany koa. Efa tamin’ny taona 2020 no novolavolaina ary nivoaka omaly, ny Rafi-pitantanana ara-tontolo iai­nana sy sosialy (CGES) ho an’ny Faritra arovana […]

TARATRY ny KANTO

Ho avy eto ihany i Gabi Hartmann. Anisan’ireo mpihira sy mpitendry gitara mirona amin’ny jazz fran­tsay amin’izao fotoana, izy. Tokony ho vahinin’ny hetsika “Madajazzcar 2025”, saingy tsy tontosa tamin’ny volana oktobra teo izany. fantatra kosa izao fa hoavy ihany ary hanolotra seho ny 12 desambra izao, ao amin’ny IFM Analakely. […]