Mois : janvier 2026

CTA2 Ambohimanambola : Miroso ny fanarenana, mitombo ny herinaratra ho an’Antananarivo

Miroso ny fanarenana sy ny asa fanamboarana ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra CTA2 an’ny Jirama, etsy Ambohimanambola. Vita tanteraka amin’izao ireo milina telo amin’ireo efatra ary efa miasa ara-dalàna avokoa raha mbola eo am-panamboarana kosa ny milina fahefatra, G2. Araka ny fanambarana nataon’ny Jirama, oma­ly, «tontosa soaman­tsara ny fanamboarana ireo milina […]

TSELATRA

13 isa ireo olona narary noho ny fihinana hani-masaka teny an-tsena, ao amin’ny kaominina Ampanefy, distrikan’Atsimondrano, hatramin’ny omaly. Nahitana za­zavavy roa taona. Nihinana kompose teny an-tsena iray teo akaikin’ny fiangonana katolika izy ireo ny alahady lasa teo. Nanomboka narary omaly, samy narary kibo, nandoa sy nivalana avokoa. Nalefa eny amin’ny […]

Mananara Avaratra : Mpitondra baka natelin’ny rano

Nokarohin’ny fokonolona nanomboka omaly atoandro, tamin’ny 11 ora, ny lehilahy iray mpitondra baka tao amin’ ny fokontany Antanandava nandritra ny fanantanterahana ny asany tao Ambatondra­hi­lany, distrikan’i Mananara Ava­ratra. Tra-doza tampoka izy ary nilentika tao anaty rano. Ni­­fampitadiavan’ny namany izay sady mpiara-miasa ami­ny. Tsy nipoitra intsony taorian’ny naharendrika azy anefa io […]

Nanolana tovovavy 18 taona : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ankazobe

Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy maty ny lehilahy mpanolana, tany Ankazobe, afakomaly. Nanolana sy namono nahafaty vehivavy 18 taona, tany an-toerana izy io sy ny namany iray hafa, ny sabotsy lasa teo. Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka, tany amin’ny kaominin’i Ma­ron­dry, distrikan’Ankazobe, afakomaly maraina. Nanolana sy namono nahafaty vehivavy 18 taona […]