“Manasa antsika hanatsara ny faravodilanitry ny fisiantsika ka amin’ny fitiavana dia manampy antsika mba tsy ho maraina tonga hariva fotsiny ny fiainantsika, fa tena fiainana vonton’ny fitiavana sy ny fifankatiavana”. Io ny fiarahabana sy firarintsoan’ny filohan’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM), ny arsevekan’ Antananarivo eo anivon’ny Ekar, ny Mgr […]
Mois : janvier 2026
Tonon-taona izao
Taona 2026, taona vaovao: be dia be ny andrasana sy andrandraina amin’izany? Na eo amin’ny fiainan’ny tena, na eo amin’ny fiainam-pirenena… Amin’ny tonon-taona toy izao, saika mahazatra sy mandeha ho azy mandrakariva ny fifampirarian-tsoa: ho taom-panambinana sy taon-jina anie, hitondra soa… Raha ny marina, tsy ny taona na ny […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Handraisana fepetra amin’ny tomban’ezaka ny governemanta”
Araka ny fanamby, roa volana no nomena ny governemanta amin’ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka teny an-kianja. Hisy ny tomban’ezaka izay handraisana fepetra amin’ny fitazonana na fanoloana minisitra… “Ny tonon-taona toy izao no voatokana anaovana tomban’ezaka. Mifanojo sy mifanindry amin’ny fe-potoana roa volana nomena iasan’ny governemanta izany. Eo am-panatanterahana ny tomban’ezaka sy […]
TSELATRA
Olona telo notanana vonjimaika any am-ponja rehefa nahatrarana entana halatra tao amin’ny fokontany Matiakoho, kaominina Ambilobe, afakomaly. Voasaringotra tamin’ny tranga vaky trano niseho ny 29 desambra lasa teo ireo olona ireo. Tratra tao amin’ny tokantrano ny fahitalavitra halatra sy ny fitaovana hafa. Lehilahy iray namoy ny ainy taorian’ny fialana nenina […]
Nihinana sakafo nivadika : Olona 36 voatery naiditra hopitaly
Sakafo “mayonnaise” nivadika no nitarika ny fahavoazan’ny olona miisa 36 mianaka tao Toliara, araka ny ahiahian’ny mpikarakara ny sakafo. Tafakatra 36 ireo olona lasibatra ka voatery naiditra hopitaly hatramin’ny omaly. Lehilahy, zaza amam-behivavy miisa 36 samy voatery nandalo fitsaboana tao anivon’ny CHU Tanambao, kaominina Toliara avokoa, hatramin’ny omaly maraina. Nitrangana […]




