Noraisin’ny minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Razafimanantsoa Hanitra, ny ambasadaoron’ny Repoblika Federalin’i Alemana, i Olivier Knoerich, omaly. Nivoitra, tamin’izany, fa mijanona ho mpiara-miasa amin’i Madagasikara eo amin’ ny sehatra ara-politika i Alemana. Naneho fahavononana ny masoivoho amin’ny hanohanana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. « Afaka mandefa manam-pahaizana momba […]
Mois : février 2026
Tsy fotoan’ny fanararaotana
Iarahantsika rehetra mahalala ny takaitra navelan’ny rivodoza indroa miantoana, namango an’i Madagasikara. Nahery ny fiantraikany teto an-tanàna. Maro sy mavesabesatra ihany ny faharavana navelany ho an’ny vahoaka malagasy. Potipotika ny tanàna, tsy tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ihany, fa nahazo hatrany amin’ny faritra samihafa nolalovany. Raha ny tao Atsinanana […]
Fivondronamben’ny eveka : “Mila asa mivaingana ny fanampiana traboina”
Voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny Faritra Atsinanana. Miantso fanampiana ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara. Tsy anaovan-teny fotsiny, fa asa mivaingana hita maso… “Ny fotoana toy izao indrindra no ifanohanana sy tsy anaovan-teny fotsiny, fa anaovana asa mivaingana hita maso hiaraha-mizaka izay manjo amim-pitiavana. Izany firaisankina izany àry no […]
Zaza varira maty notapahin-doha : Lehilahy iray voasambotra, naiditra am-ponja
Maty notapahin-doha tany Betsingala, distrikan’i Mampikony, afakomaly tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, ny ankizilahy 11 taona, manana toe-tena varira. Tao an-trano izy sy ny zaodahiny iray tamin’io fotoana io. Nisy olona telo, nisaron-tava sy nirongo zava-maranitra (toy ny antsy sy famaky), tonga sy niditra an-keriny tao an-trano. Vantany vao […]
Niharan’ny fanolanana : Mpianatry ny CEG namoy ny ainy
Hita faty tao anaty kirihitra ny ankizivavy 15 taona mbola mpianatra eny amin’ny CEG, tao amin’ny fokontany Ambohitratsimo, kaominina Andranomiady, distrikan’i Faratsiho, afakomaly. Hamonjy toeram-pianarana no nialan’io ankizy io ny tokantrano, ny talata 10 febroary lasa teo. Nianatra teo anivon’ny CEG Ambohitratsimo ity ankizy niharan’ny fanolanana ity. Tsy niverina tao […]




