Nijery ifotony ny fahavoazana nihatra tamin’ny voly sy ny fiompiana ny tomponandraikitry ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) Alaotra Mangoro. Nanotrona azy ireo ihany koa ny avy ao amin’ny Tetikasa RizPlus, anisan’ny miasa any an-toerana. Anisan’ny tena nojerena ny mahakasika ny fiantraikan’ny rivodoza Gezani, indrindra ny vary, hamantarana […]
Mois : février 2026
Stanford Seed Transformation Program: Hampivelatra ny orinasa malagasy maneran-tany
Vonona hanohana ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ny Oniversiten’i Stanford, any Etazonia, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Stanford Seed Transformation Program (STP). « Tanjona ny hanampiana ny orinasa eto an-toerana amin’ny alalan’ny fiofanana hahafahany manitatra ny sehatrasany sy mampivelatra ny fandrahaharany », hoy ny solontenan’ny STP, Davis Albohm, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa tetsy amin’ny […]
Dingadingana : Nohavaozina ny fitrandrahana
Nohavaozina ny fitrandrahana dingadingana sy drakaka mba hiantohana ny fitantanana taorian’ny dinika nifanaovan’ny minisiteran’ny Toekarena manga sy ireo mpisehatra. Voafaritra tao anatin’izay fa « mikatona ny taom-panjonoana manomboka ny 1 janoary ka hatramin’ny 31 marsa. Nofaritana ihany koa ny haben’ireo hazandrano azo jonoina ireo. Rarana ny fampiasana ny bouteille de plongée ary […]
Fitaterana : Tsy maintsy ampandehanina ny sokajin-jotra rehetra
Nampihetsika avy hatrany ny drafitra vonjy taitrany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM) taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Mila haverina amin’ny laoniny haingana ny zotram-pitaterana rehetra. Notombanana ara-teknika ny zavatra simban’ny rivodoza Gezani. Notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny minisitra MTM, Raharisone Juste […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho talen’ny birao misahana ny Fitarainana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Me Rakotoanosy Raolidina Mampionona Olivier, nisolo ny Kly Rakotomamonjy Patrick. Lehiben’ny faritra vonjimaika any Alaotra Mangoro kosa, Rabemananjara Elire, raha ho an’ny any Fenoarivo Atsinanana, i Tody Arnaud. Anio vao hiverina hiasa ny mpiasa rehetra any Toamasina, […]




