Mois : février 2026

Mecc 2026 : Manampy hitrandraka ny tsena kanadianina

Antoka hampivoarana ny fandraharahana ny fitrandrahana ny tsena any ivelany. Antony mahatonga ny Mission économique commerciale au Canada (Mecc) andiany fahafito, karakarain’ny Antenimi­eran’ny varotra sy indostria Kanada-Madagasikara (Cancham), mitondra ny vokatra malagasy eo amin’ny tsena kanadianina. Araka izany, soa fanararaotra ho an’ny mpamokatra ny Mecc. Mbola malalaka sy azo trandrahina […]

Harena an-kibon’ny tany : Maherin’ny 3 000 ny fanga­tahana fahazoan-dalana

Nampahafantarin’ny Biraon’ny kadasitra momba ny harena an-kibon’ny tany (BCMM), ny alatsinainy 2 febroary teo, fa misokatra ankehitriny ny fikirakirana sy ny fandinihana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Maherin’ny 3 000 ny fahazoan-dalana efa nanao fangatahana, voarakitry ny BCMM nanomboka ny taona 2009, fotoana nampihantonana azy hatramin’izao. Misy amin’ireo […]

Banky foiben’i Madagasikara : Mampiasa vola 20 000 Ar ny 70% ny eto amintsika

Ampy tsara ny tahiry vola vahiny ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Be mpampiasa indrindra eto amintsika ny lelavola 20 000 Ar. Tsy nampoizina! Sahirana ny rehetra tamin’ny fo­toana namoahana voalohany ny lelavola tokana, 20 000 Ar, tamin’ny taona 2017. Sivy taona aty aoriana, nilaza ny go­vernoran’ny Banky foiben’i Ma­dagasikara (BFM), Andrianari­velo […]

FANTINA sy FINTINA

Nitohy teny Atsimondrano indray ny fanoratana anarana biometrika, taorian’ny hetsika « Izaho tokana », nanombohana izany ofisialy teny Iavoloha. Nosantarin’ny minisitry ny Atitany, teny amin’ny kaominina Tanjombato ary nitohy hatreny Ampitatafika izany, ny herinandro teo. Mavitrika misoratra anarana ny mponina. Nialohavan’ny fanentanana izany. Tsy mbola nisy resaka ny fanamarihana ny 7 febroary, […]

Maka Alphonse : “Mila faritana mazava ny faharetan’ny Tetezamita”

“Tokony hisy fepetra ara-dalàna iray faritan’ny Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ny faharetan’ny fitondrana amin’izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, omaly, ny amin’ny fihaonana tamin’ny iraky ny Vondrona afrikanina. Roa volana ny fa­habangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika. Efa mivoaka ny […]