Fangatahan’ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Maninday ao Toliara nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny Fampianarana ambony tany an-toerana ny tokony hampiakarana ny vatsim-pianaran’izy ireo. Nampanantena ny minisitra fa havoaka tsy ho ela ny valin’ny fangatahana. Nihaona tamin’ny Seces any Toliara ihany koa ny minisitra nidinika ireo paikady entina mampandroso ny fampianarana. […]
Mois : avril 2026
Kianjan’ny Malacam : Navadika ho toerana ilalaovan’ny ankizy
Nampahafantarin’ny kaomininan’Antananarivo Renivohitra fa navadika ho sehatra hampifaliana sy hikarakarana ireo ankizy marefo eny an-dalambe ny kianja Malacam Antanimena. Tamin’ity herinandro ity, nisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana natao tamin’ireo ankizy zanaky ny lalana natao tao an-toerana. Nahitana fizahana maso sy fizahana ankapobeny. Teo koa ny tohana ara-moraly sy fikarakarana kopia sora-piankohonana. […]
Meteo: Nanome fitaovana avo lenta ny Pam
Serveur avo lenta no azon’ny foibe misahana ny famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara izay natolotry ny Pam, tamin’ity herinandro ity. Ity fitaovana ity dia hanatsara ny fitahirizana sy fanodinana antontanisa ara-toetr’andro, ary hampitombo ny fahamarinan’ny vinavina. Hanamora ihany koa ny fampidirana teknolojia vaovao toy ny faharanitan-tsaina artifisialy na […]
Avy amin’ny amerikanina : Fifanaraham-piaraha-miasa MOU, mitentina 134 tapitrisa dolara
Miara-mamolavola tetikasa hanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara ny ekipan’ny minisitera sy ny amerikanina. Mitentina 134 taipitrsa dolara izany fiaraha-miasan’ny roa tonta izany. Roa andro ny fanatanterahana ny atrikasa natao tetsy amin’ny masoivoho amerikanina mahakasika ny vina iombonana sy famolavolana ny drafitra fampiharana voalohany ilay fifanaraham-piaraha-miasa MOU eo amin’ny sehatry […]
Pureplay Football League : Hiady ny tapakila ny Mama FC sy ny CFFA
Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity, ny andro faha-13 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”. Ho an’ny Kaonferansy Atsimo, ho toy ny famaranana kely mihitsy ny fifanandrinana miverina eo amin’ny Mama FC sy ny CFFA Andoharanofotsy. Fihaonana izay hotanterahina, rahampitso, etsy amin’ny Kianja Imeritsiatosika. […]




