Lehilahy iray, mpitondra moto, maty tsy tra-drano tetsy Ambodimita omaly hariva. Avy aty Antananarivo ilay kodiaran-dro notaingenana olon-droa. Nidona mafy tamin’ny taxi-be, zotra D, nifanena taminy izy ireo. Maty tsy tra-drano nandritra izany ny mpamilin’ilay kodiaran-droa. Tapa-tongotra ilay noentina. Efa nalefa notsaboina any amin’ny hopitaly ilay naratra. Tonga teny an-toerana […]
Mois : avril 2026
Nitroatra ny vahoaka : May ny biraon’ny polisy ao Vohémar
May nodoran’ny mponina ny biraon’ny polisy ao Vohemar, omaly. Nitaky ny hamoahana lehilahy tompon’antoka tamin’ny vono olona niseho tany amin’ny fokontany Manambery, kaominina Ampondra, afakomaly alina izy ireo. Nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka io olona io izy ireo fa tsy namoaka izany ny polisy. Mba ho fisorohana ny fitsaram-bahoaka, nafindra toerana […]
Ambohitrabiby : Lehilahy hita faty nihantona
Tovolahy iray hita faty nihantona tamin’ny tady tao amin’ny fokontany Ambodifahitra, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’Avaradarano, omaly. Nifatotra tady teo amin’ny tendany io lehilahy io ary nikirazorazo avy eny ambony hazo. Nahitan’ny zandarimaria nanao fanadihadiana harona plastika niampy taratasy tsy lavitry ny razana. Nisy ny laharana finday an’ny fianakavian’ny maty sy hafatra […]
Fahapoizinana ara-tsakafo: Olona 32 ifamonjena eny amin’ny hopitaly
Voapoizina tamin’ny sakafo ny olona miisa 32 ka manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly, hatramin’izao. Namonjy fetim-pianakaviana teny Ambohijanaka izy ireo ny alahady teo. Tsy mbola fantatra ny sakafo nahatonga ny loza. Arahi-maso akaiky eny anivon’ny hopitaly ny fahasalaman’ny olona miisa 32 mianadahy mianaka izay tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo teny amin’ny fokontany […]
Tsipy kanetibe – Mada 2026 : Hatao any Antsirabe ny fifaninanana
Ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ho an’olon-telo miaraka no hisantaran’ny federation sport boule malagasy (FSBM), ny fifaninanana ho an’ny taom-pilalaovana 2026. Hotanterahina any Antsirabe izany, manomboka ny zoma 17 ka hatramin’ny alahady 19 avrily ho avy izao. Olon-telo miaraka no hatao amin’izany ka takina amin’ireo mpifaninana rehetra ny tsy maintsy […]




