Mois : avril 2026

SOMBIM-BAOVAO

Tontosa ny alahady lasa teo, teny Andoha­tapenaka ny antsapaka ho an’ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondaka “Federal 2”, taranja rugby. RCSA Anosibe hidona amin’ny CRAI Ambalavao Isotry ary Rosa hifanandrina amin’ny FTAT Anosibe. Fihao­nana, hotanterahina ny alahady 19 avrily ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Hotanterahina ny alahady […]

«Ligue des champions» : Mety hilalao i Barcola ho an’ny PSG, anio

Hotanterahina amin’ity anio ity ny lalao ampahefa-dalana miverina, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “ligue des champions”. Ho fantatra eo izany, ny ekipa roa voalohany tafita, amin’ny manasa-dalana. Hisantatra izany, ny fihaonan’ny Paris ST Germain sy ny Liverpool. Hampiantrano an-dry zareo parizianina amin’ity, ny anglisy. Lalao […]

Muay Thai-Queen of the Ring : Azon’i Faniriantsoa Voary ny “ceinture”

Niatrika fifaninanana iraisam-pirenena teo amin’ny taranja Muay thai, ny Malagasy mpikatroka roa vavy, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra “ceinture” iray nody izy ireo. Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy, niatrika ny fifaninanana “Queen of the king” taranja Muay thai, natao ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja mitafo Phoenix, tany Maorisy. […]

VAOVAO TAMBATRA

Mbola marin-toerana ny Ariary amin’izao fotoana. Omaly, nisanda 4 744,68 Ar ny Euro iray eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola. Nisanda 4 134,13 Ar kosa ny dolara araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara. Marihina fa isan’ny vola hampiasaina amin’ny fividianana sy fanafarana entana avy any ivelany ny dolara. Ahina hiantraika amin’ny toekarena ny […]