Mois : avril 2026

Alpha Ciment : Hamokatra simenitra 1,2 tapitrisa taonina

Hanao dingana eo amin’ny famokarana simenitra ny orinasa Alpha Ciment eto Ma­dagasikara raha toa ka niankin-doha tamin’ny fanafarana nandritra ny fotoana maro. Ankehitriny, mametraka vina hamokatra simenitra hatrany amin’ny 1 200 000 taonina (t) isan-taona ny orinasa. Mitombo hatrany ny filan’ny tsena eto amintsika izay tombanana manodidina ny 1,5 tapitrisa […]

Solika : Tonga ao Toamasina ny sambo

Nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly 13 avrily, ny sambo Advantage Passion, nitondra solika milanja 61 252 TM* (76 264 m3). Lasantsy SP95 milanja 13 331 TM (17 913 m3) no nentiny, gazoala GO, 45 845 TM (55 716 m3) ary solitany fandrehitra PL, 2 076 TM (2 634 m3). Araka ny fanavazana avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy […]

Prix Castel 2026 : Fifaninanana famoronana tetikasa tia manavao

Ampirisihina ny mpandraharaha malagasy hamorona tetikasa mitondra zava-baovao. Anisan’ny sehatra ifantohana ny fambolena, ny angovo, ny toekarena mihodina, ny tontolo iainana, sns. Nisokatra nanomboka ny 1 avrily teo hatramin’ny 30 mey ho avy izao, ny fifaninanana Prix Pierre Castel ho an’ny andiany 2026. Miara-mikarakara azy ny orinasa Star sy ny […]

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo voatazona eny amin’ny BC Anosy i Herizo Gen Z, araka ny nambaran’ny depiote Raje­rison Antoine. Nanamarina ny zava-nisy teny an-toerana ny tenany, omaly. Nambarany fa ilaina ny fifampiresa­hana. « Hampitombo ny disadisa ny fisamborana ka takianay ny hamoahana ireo tanora, niara-nitolona hatrany am-boalohany ireo », hoy izy. Hentitra ny […]

Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana: “Ady folo no atrehina hanatanterahana ny PGE”

“Folo ny ady manokana tsy maintsy atrehina hiroso­ana amin’ny fanavaozana sy hampiraisana ny Malagasy, izay iraka napetraka amin’ny fanatanterahana ny PGE”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana ta­min’ny fanolorana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny Fanavao­zana, teny amin’ny Anteni­mi­e­rampirenena, Tsimbazaza, omaly. Anisan’izay ady folo izay ny famatsian-jiro sy rano, […]