Mois : avril 2026

Hena ambavam-boay !

  Tsy mbola nisy teto amin’ny firenena hatrizay ny zava-misy ankehitriny, eto Madagasikara. Saika nitovitovy tamin’ ny fitondran’ny Profesora Zafy Albert ny zava-niseho, fa tsy tena mitovy. Ny an’ity farany, nambakain’ny olona tany anaty lalàna. Ny an’ireto mpanavao, ambana amin’ny fidinana an-dalambe sy ny fitakiana handravana ny efa. Manoloana izany, […]

Fiaraha-miasa amin’ny Eoropeanina : Nandray masoivoho efatra ny filoham-panjakana

Miisa efatra ireo masoivoho noraisin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël teny Ivoaloha, omaly. Samy avy amin’ ny firenena Eoropeanina avokoa izy ireo. Nanolotra ny taratasy manendry azy avy hi­asa eto Madagasikara ireo ambasadaoro avy amin’ ny firenena Eoropeanina ireo. Anisan’izany ny masoivoho vaovao an’i Autriche, Romana Konigsbrun. Hisahana ny raharaha ara-diplaomatika momba […]

TSELATRA

Tokantrano iray no may kilan’ny afo tany Ambolomailaka, Toliara II omaly hariva. Nifanampy sy nifarimbona namono ny afo ny fokonolona tany an-toerana. Potika tanteraka nandritra izany, ny entana sy ny vola rehetra tavela tao an-trano. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy nandritra ny loza. Fiara 4*4 iray indray […]

Alan-drongony 2 ha tratra : Olona telo voasambotra

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny olona telo mpiray tsikombakomba amin’ ny fambolena, famarotana ary fanampariahana rongony ma­hery vaika « Skunk », tao amin’­ ny kaominina Fihaona­na, distrikan’i Tsiroanoman­didy, ny 11 avrily teo. Olona iray nahatrarana Skunk milanja 1,30kg tao Andranomadio, ny 9 avrily. Nanaovan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana io lehilahy io. Nitoroka ny […]

Roa vavy lasibatra : Mpitondra Tuc-tuc nanendaka mpandeha

Vehivavy roa hamonjy fodiana niharan’ny fanendahana nataona mpitondra Tuc-tuc tao Ambohijafy, kaominina Toamasina, omaly. Avy namonjy lanonana, naka io fitaovam-pitanterana io teo Ambohijafy ireo roa vavy ireo tamin’ny 2 ora maraina. Niakatra tamina Tuc-tuc izy roa kanjo nisy roa lahy hafa nanakana izay nilaza fa mitovy lalana amin’izy ireo. Nentin’ilay […]