Mois : avril 2026

Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety : Haharitra herinandro ny fankalazana

« Manorina hoavy ao anaty fandriampahalemana ». Io ny lohahevitra nosafidiana, hanompanana ny fankalazana ny Herinandro ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety amin’ity taona ity. Raha toa ka ny andron’ny 3 mey no voatondro hanamarihina izay, hatao ny alatsinainy 27 avrily kosa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, etsy amin’ny Havoria Anosy. Hiavaka noho […]

Prosh’ely & Kaiamba tena izy: Hanolotra “Cabaret nostalgique” eto Iarivo

Mialoha ny seho lehibe. Etsy amin’ny Le Pavé Antanina­renina, ny zoma 22 mey, hanomboka amin’ny 5 ora tolakandro. Hiaka-tsehatra anatin’ny “Cabaret nostalgique” ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy. “Ho ambohipihaonan’ireo samy andrarezin’ny mpiangaly ny vazo Kaiamba, ity Cabaret nostalgique ity”, hoy i Apponame, avy ao amin’ny Studio Apponame, […]

« Tsenaben’ny boky » 2026 : Miverina miandalana ny fitiavan’ny Malagasy vaky boky

Boky, loharano tsy ritra. Azo hanovozam-pahalalana. Nisongadina fatratra ireo talohan’ny taona 1975. Tao ambadik’izay, tsy tazana firy intsony ny fampiasana azy ity. Taona 2026, manomboka manangasanga indray ilay fitiavan’ny Malagasy mamaky boky. Nitombo ny tranoheva. Nitombo ny mpitsidika azy ireny. Nitombo nanaraka ireo ihany koa ny sehatra na fikambanana na […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy hisy fijerena loko politika ny fanendrena ireo sefo fokontany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonan­dra­sana Velonjara Tiaray. “Tena hifantoka manokana amin’ ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’izy ireo ny ho fanen­drena », hoy izy. Nanteriny fa miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny ho sata sy hoavin’ny rafitry ny […]

Synadjad : Simban’ny politika ny raharaham-panjakana

“Tafiditry ny politika loatra ny fitantanan-draharaham-panjakana”, hoy ny filohan’ny “Syndicat des adjoints d’administration de Madagascar” (Synadjad), tamin’ny mpanao gazety, teny Anosy, omaly. Milaza ny lalàmpanorenana fa tsy azo anaovana politika ny fitantanan-draharaham-panjakana. Nefa tsapa ankehitriny, efa ho roapolo taona mahery: na ny olom-boatendry aza amin’izao, lasa idiran’ny poli­tika. Ohatra amin’izany, […]