Azo hahodina ho vokatra maro samihafa ny volotsangana. Misy ny tetikasa entina hampiroboroboana ity lalam-pihariana ity. Tanjona ny hitondra fampandrosoana maitso sady hampihenana ny fahantrana. Nampahafantarina omaly, ny tetikasa hampiroboroboana ny lalam-pihariana Volontsangana (Bambou). Mitentina 2 tapitrisa dolara ny tetikasa, avy amin’ny Antokondraharaha sinoa misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho an’ny […]
Mois : juin 2026
FANTINA sy FINTINA
Natao teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, afakomaly, ny atrikasa fanazavana sy fakan-kevitra momba ireo volavolan-dalàna hankatoavan’i Madagasikara ny fifanarahana iraisam-pirenena efatra. Heverina fa hitondra anjara biriky lehibe amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana sy ny fanatsarana ny tontolo ara-dalàna eto Madagasikara ireo fifanarahana ireo. “Ny fitsarana no mahalala ny momba ny […]
Fihaonan’ny depiote sy minisitra : Nifantoka tamin’ny lafiny ara-tsosialy
Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, ny fihaonan’ireo depiote sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sasany. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. Niatrika ireo depiote nandritra ity fihaonana ity ny minisitry ny Fitsarana, ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, ny Fiompiana, ny Fampiroboroboana […]
Samy manavotra ny ainy
Miditra vanim-potoana mangatsiaka ny eto an-dRenivohitra, ankehitriny. Manomboka mahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ireo endrika tsy fahazakana na « allergie ». Tsy ny zaza intsony na ny vehivavy marefo no mahita faisana fa hatramin’ny olona mirijarija aza izao tratry ny kohaka sy ny fahatsetsenan’orona. Ho an’ny eto Antananarivo, efa iaraha-mahalala fa […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Vonona hanao fifidianana isika”
Mbola manamafy ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, fa efa mizotra mankany amin’ny fifidianana i Madagasikara. “Hampisehoana amin’ny fivondronamben’ny firenena afrikanina sy ny fiombonambe iraisam-pirenena ny fahavononantsika hanaraka ny dian’i Gabon, nahavita fifidianana tao anatin’ny roa taona na tao anatin’ny fitondrana Tetezamita aza”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny […]




