Auteur/autrice : Adnews

Mananara Avaratra : nahazo birao ny minisiteran’ny Mponina

Tsy very anjara ny distrika any amin’ny faritra Ana­lanjirofo. Anisan’ny nahazo birao ihany koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponi­na ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra. Anisan’ ireo fotodrafitrasa notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry izany, nandritra ny fitsidihany ny tany an-toerana sy tany Maroan­tsetra, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ny minisitry ny Mponina, […]

Vondrona Vonjy voina Ivato : nahazo tohana avy amin’ny masoivoho frantsay

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Vondrona vonjy voina Ivato (Corps de protection civile – CPC) ireo fitaovana vaovao vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika malagasy sy ny Tafika frantsay. Nanolotra ny fitaovana ny masoivoho frantsay mi­asa sy monina eto Madagasikara, Arnaud Guillois. Nandray izany kosa ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, […]

Polytechnique 50 taona : 300 isan-taona ireo injeniera nivoaka

Nihaona teny By pass ireo fianakaviambe (mpampianatra, mpianatra, mpiara-miombon’antoka…) rehetra eo anivon’ny Polytechnique Vonto­vorona, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hampisehoana ny firaisankina eo amin’izy ireo alohan’ny hankalazana ny faha-50 taonan’ny sekoly, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. « Mahatratra 300 isan-taona ireo injeniera anatin’ny sampam-piofanana 16, mi­voaka eny anivon’ny se­koly hatramin’izay nisiany », […]

Adina ara-panatanjahantena –Bacc : mpiadina fito vavy mitondra vohoka

Fito ny tovovavy mpiadina bevohoka ho an’ny herinandro voalohany, nandritra ny adina ara-panatanjahantena teto Antananarivo, Atsi­mondrano ary Avaradrano. “Misy ireo nilaza mialoha ny toe-batany tamin’ny tomponandraikitra, teo koa no voatily fa mitondra vohoka mialoha ny hiatrehiny ny adina”, hoy ny mpandrindra ankapobeny ny adina ara-panatanjahantena eto Anta­nanarivo, Rahariveloma­monjy Bakoliarisoa, omaly. Telo […]

Farmasianina : 25 ireo nahazo mari-pahaizana

Mpianatra 25 teo ani­von’ny sampam-piofanana Far­ma­sianina, avy amin’ny Anjeri­manontolo Ankatso, nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo. No­tanterahina tetsy amin’ny Carl­ton Anosy ny lanonana. Nitondra ny anarana “Andry Aina”, andiany fahavalo izy ireo. Ankoatra ny lanonana famoahana ireo mpianatra, nankasitrahana manokana ihany koa ireo mpampianatra nandritra izany. Mbola olana eto […]