Firenena iombonana ary andraikitra hiaraha-manana ny fanavaozana sy fanarenana, araka ny nambaran’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, tamin’ny fakan-kevitra teny Iavoloha, afakomaly. Noraisiny ho adidy ny mitondra tolo-kevitra ho fanavotana ny firenena amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha azy, araka ny nambarany. Nandray anjara tamin’ny fakan-kevitra teny Iavoloha ireo filoha teo […]
Auteur/autrice : Adnews
Lasa indray aloha!
Mandeha ny mandeha. Mitohy ny lalana ho an’ny filohan’ny Fanavaozana. Efa any Paris indray ny delegasionina tarihiny. Hamonjy any amin’ny Vondrona eoropeanina ihany koa ny tenany. Toy ny mahazatra, tsy maintsy misy ny resabe politika. Indrindra vao mivoaka ny fofompofona frantsay. Vely latabatra hoe, fandrahonana sy fibedesana hoe! Ohatran’ireny biby […]
Filoha Randrianirina Michaël: « Hisy ny fihaonana amin’ny filoha frantsay »
“Mety hisy ny fihaonana amin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, anio. Any hita izay hifampiresahana…”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny Ivato, omaly. Ny amin’ny dian’ny delegasionina malagasy tarihiny handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena momba ny tontolon’ny habakabaka hatao any Paris, Frantsa, omaly sy […]
Tolo-kevitr’ireo ben’ny Tanàna: hatao maharitra valo volana ny propagandy
Anisan’ireo nitondra sosokevitra teny Iavoloha ny Fikambanan’ny firaisankinan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny fanavaozana ifotony nasionalin’i Madagasikara, afakomaly. Voarakitra ao anatin’izany ny momba ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fampielezan-kevitra. «Farafaharatsiny valo volana ny fotoana ho an’ny fampielezan-kevitra », hoy izy ireo amin’izany tolokevitra izany. Nambaran’ireto solontenan’ny ben’ny Tanàna ireto fa midadasika i […]
Tselatra
Olona roa naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny moto teny Andranomena, omaly. Voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray ny moto notaingenan’ireo roa lahy. Tsy nisy aina nafoy. Potika tanteraka ny lohan’ilay moto scooter tra-doza. Taksiborosy hihazo an’i Mananjary tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito tsy lavitra an’ Ambohimahasoa, omaly maraina. Nifatratra tanaty tanimbary […]





