Auteur/autrice : Adnews

Rugby: nampifaly ireo mpilalaony ny Rosa club de l’Imerina

Noho ny asaramanitra, tsy nanadino ny mpilalao ao aminy ny tomponandraikitry ny fileovana Rosa club de l’Imerina III G Hangar Antohomadinika. Omaly, tetsy amin’ny tokontany EKAR Antohomadinika, notolorana fanomezana, “panier garnis”, sy lelavola ireo mpilalao sy mpitantana miisa 110 mianadahy mianaka, hiatrehany ny fety. Nanome izany, i Lock Hong Maxime […]

Minisitry ny Serasera tao Toamasina: tsy nahafa-po ny mpanao gazety maro an’isa

Fahadisoam-panantenana ho an’ny mpanao gazety maro an’isa ny tao Toamasina. Nihevitra izy ireo fa ho toy ny teo aloha rehetra ny ataon’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ogascar Feno­soa, nandritra ny fitsidihany voalohany ny faritra Atsina­nana, ny 23 sy 24 desambra lasa teo. Nitokana fotodrafitrasa maroloko tao amin’ny Kianja […]

By-Pass: mpitondra moto nofaohan’ny 4×4

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny By-Pass, afakomaly tolakandro. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko fotsy nandona mpitondra moto. Nipitika nivoaka ny arabe ilay mpitondra moto sy ny olona iray hafa ary ny moto notaingenan’izy ireo nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny By-Pass, tsy lavitry ny orinasa Habibo, afakomaly tolakandro. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko fotsy […]

Fametrahana ny rafi-pitondrana: « Tokony hiainga amin’ny soatoavina », hoy ny AAM sy ny AOM

Nanao fanambarana sy nanome soso-kevitra aroso amin’ny fikaonandoham-pirenena ny Anteni­mieran’ny andriana merina (AAM) sy ny Antenimieran’ny oloben’i Madagasikara (AOM), ny herinandro lasa teo. “Tokony hapetraka eto Ma­dagasikara ny rafi-pitondrana miainga amin’ny soatoavina sy ny fomba amam-panao maha Malagasy”, hoy An­drianjanaka Vahaniaina José, fitokaja eo anivon’ny AAM. “Tokony hofidiana amin’ny alalan’ny […]