Nandrindra ny asa ao anatin’ny hamehana ho fiatrehana sy fiomanana ireo vonjitaitra sy loza mety hitranga ny orinasa Jirama sy ny BNGRC. Voakasik’izany ny fanabeazana sy fanentanana ny mponina hanena ny trangana loza fanampiny amin’ny alalan’ny fitaizana sy fampahafantarana ireo fitandremana ilaina sy ny fihetsika tokony hatao manoloana ny toe-javatra […]
Auteur/autrice : Adnews
Laboratoara-CHUJRA: karazany maro ny fitiliana azo atao
Mitondra fanazavana ho an’ny olona mankeny amin’ny laboratoaran’ny hopitaly ny profesora Razanakolona Mialy, lehiben’ny sampandraharahan’ny laboratoara microbiologie, parasitologie et mycologie ao amin’ny CHU JRA. Ao amin’ny rihana voalohany no misy ity sampandraharaha ity. Mizara roa ny andrikitra: ny fitiliana sy ny fampiofanana. Mizara telo ny otrikaretina tilina ka anisan’izany ny […]
Faritra avo eto Antananarivo: trano 1 490 tafo tandindomin-doza
Mandry tsy lavoloha ny mponina eny amin’ny faritra avà amin’izao orana mateti-piavy izao. Mandindona azy ireo ny mety ho fianjeran’ny vatobe handrava ny tanàna lalovany. Tokantrano 1 490 no tandindomin-doza. Namoaka filazana maika ny BNGRC, omaly, fa trano miisa 1 490 tafo no tandindomin-doza amin’ny mety ho fianjeran’ny vatobe maromaro. […]
Kamiao tapaka hisatra: olona efatra naratra tetsy Ankazomanga
Nisehoana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsyAnkazomanga akaikin’ny tobin-tsolika Jovenna, omaly, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina. Nandeha mafy ny fiarabe mpitatitra entana iray, marika Mercedes Benz, miloko fotsy. Tsy tafajanona ary nifoaka olona efatra nandeha teny amin’ny sisin-dalana. Mbola nidona tamin’ny andrin-jiro iray teo amin’ny sisin-dalana ihany koa izy io […]
Fetin’ny Krismasy: fito ny maty teo anivon’ny HJRA
Tafakatra fito ireo olona maty teo anivon’ny hopitaly HJRA nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely (24 sy 25 desambra) lasa teo, raha ny tatitra voaray, omaly. Iray hafa, faty avy any ivelany nahiditra teny an-toerana. Telo tamin’ireo ny olona namoy ny ainy teo anivon’ny sampandraharaha famelomana aina ny 24 sy […]




