Tanterahina eny Andrainarivo ny atrikasa fandravonana ireo fakan-kevitra natao tany amin’ny faritra mahakasika ny ady amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona “PNA LTEII 2025-2040”. Tanjon’ny «PNAII 2025-2040” ny hamaritra ireo asa mivaingana ho an’ ny ady mahomby amin’ny fampiasana ankizy eto Madagasikara. Navoitran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanan’asa […]
Auteur/autrice : Adnews
“Festival Sagam”: Manandratra ny Salegy sega i Rayhas
Mpanakanto marolafy. Zanak’i Donné, mpikambana ao amin’ny tarika Randria Ernest, no tena nahafantarana an’i Rayhas Randriamanantena. Nanokatra ny lalany teo amin’ny fitrandrahana ny tsenan’ny zavakanto iraisam-pirenena izany, satria ankoatra ny maha mpihira sy mpitendry karazan-javamaneno azy, manan-talenta manokana amin’ny fandihizana sy ny famoronana sora-dihy koa izy. Anisan’ireo voafidy hisolo tena […]
Faribolana Sandratra – « Antso laitra »: Hisokatra ny taom-piantsana 2025-2026
Hosokafana ny tolakandron’ny sabotsy 22 novambra izao ny taom-piantsana 2025-2026 ho an’ny Faribolana Sandratra. Amin’ny alalan’ny antsam-paribolana nampitondraina ny lohateny « Antso laitra », ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatohabaton’Antaninarenina (CGM), no hanatanterahana izany. Araka io lohateny io, tsy hanalavitra ny tontolon’ny fianarana ny lohahevitr’ireo tononkalo hohantsaina amin’io fotoana io. Mahatratra 30 ny […]
Fomban-drazana: Hanandratana ny hasin’ny vahoaka ny “Alakaosibe”
Tsinan’alakaosy, amin’ny fanandroana isa lava. Miezaka mamerina ny “Alakaosibe”, fomba natao hanandratana ny vahoaka ireo mpitana sy mamelo-maso ny fomban-drazana. Fomban-drazana fanao eo amin’ny tsinambolan’ny alakaosy, izany hoe, mijoro eo amin’ny vava andro alakaosy ary reniandro alakaosy ny “Alakaosibe”, raha ara-panandroana. Araka ny fanazavana nomen’ireo mpandala ny fomban-drazana, izay mivondrona […]
FANTINA sy FINTINA
Nosalorana ny samboady maha loholona azy, i Bevoavy Joel. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny lanonana momba izany. Tsiahivina fa misolo ny loholona teo aloha, lasa minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ity loholona vaovao ity, manomboka izao. Nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, fa tokony hatsahatra amin’izay ireo fitakiana […]




