Auteur/autrice : Adnews

Harena an-kibon’ny tany: Antoky ny fanarenana ara-toekarena ireo tetikasa vaventy

Miantoka ny 30% ny fa­non­dranana entana any ivelany ny fitrandrahana vaventy. Ma­nome ny 5% ny Harin­karena faobe (PIB). Nanome toky ny filohan’ny Fanava­ozana ny Repoblika, ny kolonely Ran­dri­anirina Michaël, raha niha­ona tamin’ny Von­dron’ny ori­nasa eto Madaga­sikara (Gem), ny 11 novambra teo, fa hametraka tontolo madio amin’ny fandraharahana eto amin­tsika, manodidina […]

Fandraharahana : Hatsangana ny politika momba ny indostria

Tafiditra ao anatin’ny fanavaozan-drafitra apetraky ny fanjakana ny Politika hampandrosoana ny orinasa, fototry ny fampandrosoana ny toekarena. Hojerena manokana ny fomba hanampiana ny Malagasy mpandraharaha. «Hamolavola politika ho fampiroboroboana ny orinasa ny minisiteran’ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Hapetraka ihany koa ny Tahirim-pirenena entina […]

Kabary: Feno 62 taona ny Fi.Mpi.Ma

16 novambra 1963 – 16 novambra 2025. Feno 62 taona ka­troka rahampitso ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ho fanamarihana izany ny « Takalo dinika amorom-patana » hotanterahina rahampitso, ao amin’ny Havoria, Anosy. Hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, hamelabelatra ny lohahevitra: « Ny soatoavina malagasy […]

Sarimihetsika malagasy : Mbola maro ireo olana mila vahan’ny mpisehatra

Mbola lavidavitra ny tena famirapiratana ho an’ny sarimihetsika malagasy. Anisan’ireo sokajy « nafana » tamin’ny fakan-kevitra natao ny alakamisy teo koa ity seha-kanto iray ity. Misy vahaolana anefa avy amin’ireo mpisehatra. Lalàna mifehy, rafitra misahana, fahaiza-manao, fitaovana, sns. Samy mbola ahitana olana avokoa izany, ho an’ny sarimihetsika malagasy. Vory lanona ireo mpi­sehatra, […]

INDRAY MIJERY

Ho mora kokoa ny fiforonana orana tandrifin-drahona ho an’ny ilany avaratra andrefana sy ny afovoan-tany. Mbola ahina ihany koa ny hisiana havandra ho an’ny afovoan-tany. Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo atsinanan’ny Nosy. Vinavinaina hahatratra 55 km isan’ora ny hamafiny, anio, eo anelanelan’i Manakara sy Taolagnaro. Na­nome […]