Auteur/autrice : Adnews

Kolontsaina, finoana : Hihaona ny taranak’ Ambohimamory

Iray amin’ireo vohitra manan-tantara eto Imerina i Am­bohimamory. Tsy avelan’ny taranaka, fianakaviana, ankohonana ho very izany fa misy hatrany ny fihaonana eo amin-dry zareo. Hifankahalalana, hifampitana vaovao sy hafatra, hana­tsarana an’Ambohimamory sy ny vakoka misy eo aminy. Iray amin’ireny toerana na faritra na trano manan-tantara ireny ny FJKM Ambohimamory Orimbato. […]

Jazz@Tohatohabato : Andrasana fatratra ny « Grande scène » rahampitso

Nizotra an-tsakany sy an-davany ny fandaharam-potoana. « Jazz Kids » narahin’ny « Jazz VIP ». Nodimbiasan’ny « Jazz Quartier ». Seho roa lehibe no andrasana anio sy rahampitso. Anio, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro, eo amin’ny tohatohabaton’ Antaninarenina. «Jazz Street» na ilay sehatra malalaka hanana endrika fifanakalozana ho an’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mirefy 20 km ny ampahany voalohany hatao amin’ny lalana avy eo Antanifotsy mankany Sahofika. Ifantohana ny fanajariana sy ny fandravonana ny lalana, ny fanomanana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina. Vita amin’ity herinandro ity, ny fametrahana ny fitaovana vaventy ilaina amin’ny famokarana ireo akora ilaina amin’ny fanamboarana lalana (vatokely, vovobato, sns). […]

Ranomasimbe Indianina: Natsangana ny Vaomieran’ny Fadintseranana

Tapitra ny 7 aogositra teo, ny fivoriana ara-teknika, teo amin’ny Firaisambem-paritry ny fiarovana an-dranomasina (ARSM) sy ny Vaomieran’ny Fadintseranana aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Ni­karakara azy ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Taorian’ny fivoriana, nilaza ny mpiraiki-draharaha (CM) ny COI, Raj Mohabeer, fa manana andraikitra goavana ny sampandraharaha ny fadin-tseranana. Satria izy […]

Tetikasa EAGER : Tohana ho an’ny vehivavy

Hanampy ireo zatovovavy sy vehivavy tanora, 16 ka hatramin’ny 35 taona, hiditra amin’ny sehatry ny asa sy hanamafy ny fahaiza-manaony amin’ny fandraharahana ny tetikasa “East Africa Girls’ Empowerment and Resilience Program” (Eager). Mandritra izany, omena fiofanana, tantsoroka ary fanohanana izy ireo mba hahafahany mizaka tena ara-toekarena. Tonga tany Taolagnaro ny […]