Auteur/autrice : Adnews

Foara Back to school expo Madagascar : Havondrona ny mpisehatra amin’ny fampianarana

Misy foara lehibe « Back to school expo Madagascar », natokana ho an’ny fidiran’ny mpianatra sy fitarihana amin’ny safidy ho an’ny lalam-piofanana ary ny asa mifandraika. Hanomboka ny 3 ka hatramin’ny 6 septambra ho avy izao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika. Tanjona ny hampivondrona ireo mpisehatra rehetra manampy ny tanora […]

Enina matin’ny kitrotro : Hohamafisina ny fanaovam-bakisiny

Voaporofon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa aretina kitrotro no nahafaty ireo zaza 6 tao Antsirabe II, tamin’ity herinandro ity. Noraisina avy hatrany ny fepetra ka notsaboina ireo mbola marary. Natao ny fikarohana ireo tranga sy olona nifandray tamin’ny marary, Noentanina ny mponina hanatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana vantany vao marary. Nohamarinina ny […]

Ady amin’ny famarinana olombelona: Niakatra sokajy faharoa i Madagasikara, mitohy ny ezaka

Efa mivoatra amin’ny tsara hatrany ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny famarinana olombelona. Miara-dia amin’i Madagasikara ny amerikanina amin’ity ady ity. Nisondrotra tamin’ny sokajy 2 amin’ny maridrefy iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny famarinana olombelona i Madaga­sikara, araka ny tatitra navoakan’ny departemantam-panjakana amerikana tamin’ny taona 2025. Marihina fa nijanona nandritra […]

Sorakanto : Nodimandry i Sitraka « La Vérité »

Folaka an-dantony… Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Very namana, mpikambana mavitrika ny fikambanan’ny mpanao gazety mpikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, Sorakanto. Nodimandry teo amin’ny faha-36 taonany i Sitraka Rakotobe. Niasa tao amin’ny gazety La Verité no tena nahalalan’ny maro azy, nahazoany ny anarana Sitraka La Verité. Nanovo traikefa sy nanomboka asa […]

« Zara Lalao 2026 » : Roa andro hampiainana ireo lalao malagasy

Fampitana, fanabeazana, fanampiana ary fanohanana ireo zaza malagasy. Izay no tanjona ankapoben’ny fikambana Sombiny Haiko, araka ny fanazavana nomen’izy ireo tetsy amin’ny Ivokolo Anala­kely, omaly. Ho fanatanterahana izany, maro ireo hetsika efa notontosaina sy mbola tetikasa homanin’ny fikambanana. Akaiky indrindra amin’ izany ny «Zara Lalao 2026», hatao ny 15 sy […]