Nihanatanjaka ny Ariary (Ar) nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2026. Niakatra ny sandan’ny vola malagasy manoloana ny dolara sy ny euro raha oharina ny tamin’ny faran’ny taona 2025, raha ny tatitry ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM). Ny 30 jona 2026, nisanda 4 256,4 Ar ny dolara raha 4 579,8 Ar […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Tsy miankina amin’ny vola fanampiana, ny fotodrafitrasa na ny lalàna vaovao ihany ny fampandrosoana, araka ny nambaran’ny mpanao politika, Zaza Ramandimbiarison. Nambarany fa tsy ho feno ny fanavaozana an’i Madagasikara raha tsy miaraka amin’ny fanavaozana ny toe-tsaina sy ny fahatsiarovan-tenan’ ny tsirairay. Nifanakalo hevitra momba toe-draharaha politika sy ny fijoroany […]
Fivorian’ny SADC any Durban : Handinika ny momba an’i Madagasikara indray
Hotanterahina ao amin’ny Centre International des Conférences any Durban, Afrika Atsimo, ny 17 aogositra izao, ny fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Sadc, andiany faha-46. Tafiditra ao anatin’ny lahadinika ny toe-draharaha politika eto Madagasikara izay handray anjara rahateo. Ankoatra izany, anisan’ny lohahevitra iaraha-midinika amin’ny fihaonana ny fananganana orinasa afaka miatrika sedra maharitra, […]
Mahamay ny kianja
Mahamay ny kianja hilalaovana politika amin’izao fotoana izao. Mipoipoitra daholo ny andrarezina, manana ny maha izy azy. Nanaitra ny olon-drehetra ny fahitana ny filohan’ny antoko Avi, niakatra teny an-dapa. Tsy nisy nipika ny dinika fa ny azo ambara, matoa mivoaboaka iny « raiamandreny » iny, efa misy raha ao […]
Fandraisana antoko eny Iavoloha: mitondra vahaolana, mizara vina mazava
Nandray ny antoko politika teny Iavoloha, ny Kly Randrianirina Michaël, hatramin’ny omaly. Samy mitondra vahaolana sy mizara vina mazava izy ireo. Anisan’ny nipoitra Ratsirahonana Norbert sy ny antoko Avi, tarihin’ny Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra. Manao ranolava ny fandraisan’ny filohan’ny fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny antoko sy ny hery politika lehibe […]





