Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Nidina ifotony nanara-maso ireo toeram-pisotroana eny Ambohipo, boriboritany faharoa, ny polisim-pirenena, afakomaly. Anton’io hetsika io ny fampanarahan-dalàna sy fisorohana tsy fandriampahalemana. Olona iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teo anelanelan’i Vatolatsaka sy Andra­no­vory, Toliara, omaly. Nipitika tampoka ny karan- dalana nitondra ireo mpandeha ka nitarika ny loza. Mitohy hatrany […]

Harom-paosy : Enim-bavy naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny vehivavy mpangarom-paosy miisa enina tratra tao Analavory. Nanararaotra andron’ny tsena, ny roa vavy ka nanao ny asa ratsiny. Nanao fanamiana si­vily, nanara-maso teny amin’ ny manodidina ny tsena ny mpitandro filaminana ka nahatsikaritra ny fihetsik’ireo olon-dratsy miisa roa ireo. Tsy afa-nandà satria […]

Sambava : Nokorontanin’ilay vehivavy ny fasana

Indroa saron’ny fokonolona nanakorontana ny lamba namonosana ireo razana milevina tao anatin’ny fasana, tao Ambahavala, kaominina Sambava, ny vehivavy iray. Nosa­voritahiny avokoa ny razana rehetra tao anatin’ny fasana maromaro ao an-toerana. Niparitaka nanerana ny tokotanim-pasana ireo lamba sasany namonosan’ny fianakaviany ireo olona efa namoy ny ainy milevina amin’io toerana io. […]

Notafihana dimy lahy : Ben’ny Tanàna lefitra maty voatifitra sy voaroba

Vonoan’olona tsotr’izao no nahafaty ny ben’ny Tanàna lefitra tao Benenitra, omaly maraina. Notifirin’ny olon-dratsy izy ka nahazo ny tratrany ny bala. Dimy lahy nitondra fitaovam-piadiana niditra an-keriny tao amin’ny tokatranon’ny lefitry ny ben’ny Tanàna miasa ao amin’ny kaominina Benenitra, faritra Atsimo Andrefana, omaly. Nopitsohan’ny jiolahy tamin’ny alalan’ny famaky ny varava­rana, […]