Maty voatifitra teo amin’ny lohany ny mpianaka, monina eny Anosimasina Itaosy, tamin’ny sabotsy. Tsy misy mipika ny fanadihadiana. Nilaza kosa ny mpitandro filaminana fa miresaka volabe amina miliara, ny taratasy hita teo amin’ny razana. Mpianaka niaraka maty hitan’ny mpitandro filaminana tao amina tokantrano iray teny Anosimasina, kaominina Itaosy, afakomaly maraina. […]
Auteur/autrice : Adnews
Kongresy tao Ambatondrazaka : Mitaky ny fahadiovan’ny fitantanana ny HVM
Nifarana omaly ny kongresim-paritry ny antoko HVM, natao tany Ambatondrazaka. Anisan’ny nitondrana hevitra tamin’izany ny momba ny fiainam-pirenena. Nanao fitakiana maromaro ny ekipan-dRajaonarimampianina Hery. «Mitaky ny fahadivon’ny fitondrana izahay. Takinay koa ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna, ny fahadiovan’ny fifidianana, ny fahadiovan’ny fitantanana raharaham-pirenena », hoy ny filoha nasionaly, Rakotovao Rivo, tamin’ny […]
Volley-ball U18 vehivavy: Resin’i Mada 1 i Maurice
Niditra tamin’ny andro fahatelo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena na ny «Championnat des Nations», taranja volley-ball, sokajy U18, vehivavy sy lehilahy, ho an’ny faritra fahafito. Fihaonana notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny U18 vehivavy, resin’i Madagasikara 1 tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/22 ; 25/17 ; 25/19), […]
Baolina kitra : Hanazatra ny Al Merrick U23 ny Coach Rôrô
Hanazatra ny ekipa U23 an’ny Al Merrick Soudan, ny Coach Rakotondrabe Romuald (Rôrô), ho an’ny taom-pilalaovana 2026-2027. Hameno ny tsy ampy amin’ny mpilalao maratra na mihena fahaizana ao amin’ny D1 izy. Nitondra fanazavana mahakasika ny handehanany any Soudan, izay niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera, Rakotondrabe Romuald (Coach Rôrô), omaly, teny amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Tokony hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha misy tazo mahery, hoditra misy fery na mamorifotra, maso mena, kohaka na soritr’aretina hafa mampiahiahy fa mety ho kitrotro. Tokony hanaraka ny torohevitra omen’ny mpiasan’ny fahasalamana. Tokony ho antoka fa manaraka ny fandaharam-potoanan’ny vaksiny ny ankizy. Nandray fepetra avy hatrany ny tompon’andraikitry ny BNGRC […]





