Niaiky heloka, nitoroka ny toerana nandevenany ny vata fitahirizam-bola « coffre-fort » ny mpiasa iray tao amin’ny sekoly niharan’ny fandrobana teny Andakana, distrikan’Ambohidratrimo, ny 1 jolay teo. Efa nanao teti-dratsy hangalarana tao amin’io toeram-piasany io ity olona voasambotra ity. Nalainy ny solosaina niampy ny lelavola mitetina 10 tapitrisa Ar. Niroso tamin’ny fanadihadiana […]
Auteur/autrice : Adnews
Toamasina: May indray i Bazary kely, olona iray maty
Ravan’ny afo ny tsena. Kila tsy nisy namantarana azy intsony ny olona iray lasibatry ny fahamaizana tao Bazary kely, Toamasina, ny alin’ny alahady 2 aogositra teo. Nitarika ny firehetan’ny tsena tao Bazary Kely, kaominina Toamasina, ny fipoahan’ny vatoharatry ny finday an’ny mpiambina iray sy ny fifampikasohan’ny herinaratra, ny alin’ny alahady […]
Faha- 15 taon’ny Orange Money : Nomarihina tamina seho goavana
Tsy navela nandalo fotsiny. Nisy ny lanonana izay naka endrika fampisehoana goavana, nentina nanamarihana ny faha-15 taona nisian’ny Orange Money teto Madagasikara. Notontosaina ny alin’ny zoma teo izany, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpanakanto nosafidiana tanatin’ny maro, be mpankafy sy araka izay nandrasan’ireo mpampiasa ny Orange Money, no nifandimby niaka-tsehatra. […]
« Manala azy »- Olombelo Ricky: Efa fihaonamben’ny mpankafy
Tontosa soa aman-tsara. Nantsoina ka nanohina ireo mpankafy. Mitoetra ho kolontsaina ny « Manala azy ». Tsy foana fa nahemotra ny seho. Tsy nampihemotra ireo mpankafy ny « Manala azy » izany, ka vory lanona indray ny rehetra ny tolakandron’ny sabotsy teo, tetsy Antsahamanitra. Mety nisy avy nanala fanadinana ve tao ? Tsy fantatra. Ny […]
Zo sy fananahana ara-pahasalamana : Nanao antso ny tanora manana fahasembanana
Nifarana ny volana jolay lasa teo ny fakan-kevitra nasionaly, natomboka ny volana febroary lasa teo, tany Antsirabe, izay nataon’ireo tanora manana fahasembanana momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana. Nisongadina fa misy olana ny fisitrahan’ireo sokajin’olona ireo momba ity zo ity ka manao antso ho an’ireo firaisamonim-pirenena sy ny fitondram-panjakana […]





