Auteur/autrice : Adnews

Ady amin’ny herisetra : Hitondrana hafatra ny zavakanto

Tsy natao ho fialamboly sy fanehoana talenta fotsiny ny zavakanto (teatra, slam, mozika, dihy…) fa azo ampiasaina hitondra hafatra hiteraka fiovana toe-tsaina sy fiovam-pihetsika eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa. Nisafidy ny hitrandraka ny zavakanto ho fitaovam-panentanana hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy (VBG), hampijoroana ny zon’ny […]

CHU Analakininina : Nohavaozina ny fotodra­fitrasa fitsaboana zaza

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny trano nohavaozina sy ireo fitaovana vaovao ho an’ny Sampana mandray an-tanana ny zaza ho an’ny CHU Analankininina, Toamasina, tamin’ity herinandro ity. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany ny tetikasa. Nanomboka ny septambra 2025 ny […]

Orange Madagascar : Manasongadina ireo start Up sy ny vehivavy tohanany

Anisan’ny mpanohana ny hetsika Andron’ny fakiolten’ny toekarena, fitantanana ary sosiolojia sy ny mpiray ombon’­ antoka (JFP) ny Orange Madagascar. Hetsika tanterahina eny Ankatso, mandritra ny hateloana. Nosantarina omaly ity andiany fahenina ity, izay miavaka amin’ny sehatra fandraharahana. Mi­son­­gadina ny start up sy ny vehivavy nahazo tohana avy amin’ny Orange Mada­gascar. […]

« Rdj – 23 taona » : Hampiakatra an-dry Shyn, Denis, LJo, Ceasar

« Iza no mpanakanto tian’ny mpihaino hiaka-tsehatra? » Izay no fanontaniana napetraky ny onjampeo RDJ 96.6 tamin’ireo mpanaraka azy ho fanamarihana ny faha-23 taonany. Nisongadina tamin’ny maro ny anaran’ny mpanakanto efatra: i Shyn, Denise, L Jo ary i Ceasar. « Efa samy mpanakanton’ny taona tamin’ireo Rdj Mozika  avokoa ireo, ka mazava be ny […]

Mba hampitoetra ny hasina: Mila fanarenana goavana ny kabary

Kolontsaina, fomba amam-panao, zavakanto, fanabeazana, soatoavina, teny, sns, samy voarakitra ao anatin’ny kabary avokoa. Ireo ihany koa no itoeran’ny hasina. Izay no nahatonga ny Ntaolo tsy hikabary raha mbola tsy anti-panahy sy nandalo ireo ambaratongam-panabeazana (angano, ankifidy, ankamantatra…) ananan’ny Malagasy. Lesoka goavana be ho an’ny kabary ankehitriny io. Mpikabary malama […]