Auteur/autrice : Adnews

Basikety-Mada U14 : Ekipa 48 lahy sy 41 vavy hifaninana eto Analamanga

Hotanterahina eto Analamanga, ny 1 hatramin’ny 9 aogositra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Ekipa 48 lahy sy 41 vavy no hifaninana amin’izany. Kianja 3 eto Antananarivo dia ny eny amin’ny Ki­anja mitafon’i Maha­ma­sina sy Kianja Barea eo ivelany roa no handraisana ny fifaninanana nasionaly U14, raha […]

INDRAY MIJERY

Fanjarian-tsakafo ho an’ny zaza madinika ny lohahevitra iompanan’ny fivoriana hotanterahin’ny mpitsabo manokana ny kilonga, ho an’ity taona ity. I Toliara no handray an’izany. Ahitana mpiasan’ny fahasalamana handray anjara amin’ny fiofanana, fizarana traikefa sy voka-pikarohana samihafa, ny 6 sy 7 aogositra ho avy izao. “Olona 90 000 no mitondra ny tsimokaretina […]

Fikaonandoham-pirenen’ny tanora : 700 ireo mpandray anjara eny amin’ny CCI

Taorian’ny fikaonandoham-paritry ny tanora isaky ny faritra, notanterahina teto An­tananarivo ny atrikasa famaranana ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora ho an’ny Fa­navaozana. Eny amin’ny CCI Ivato, mandritra ny hateloana, nosantarina omaly, izany. Tanora 700 mahery, avy amin’ny Faritra 24, voasolo tena ao avokoa ary hitondra ny feon’ny tanora namany. “Na­nomboka teny amin’ny kaominina, […]

Oniversiten’i Toamasina : Napetraka ny tondrozotra

Nihaona, ny herinandro lasa teo, ireo filohan’ny mpianatra sy mpitarika ao amin’ny oniversiten’i Toamasina niaraka tamin’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Pr Razanakolona Diny. Teo koa ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Dr Ramahefasoa Barbin ary ny talen’ny Assurance Qualité, Dr Rakotoniaina Bearisoa, araka ny fampitam-baovaon’ny oniversite […]

Valanaretina Mpox : Distrika 12 nanaovan’ny Croix Rouge Malagasy fandinihana

Distrika 70 no nahitana trangana Mpox, ary ny 40 amin’ireo mbola manana marary amin’izao fotoana izao. 3 115 ny tranga voamarina nanomboka ny 18 desambra 2025 hatramin’ny 27 jolay lasa teo. Nanatanteraka hetsika mifandraika amin’ny valanaretina ny Croix Rouge Malagasy. Nandritra ny enim-bolana, nanomboka ny volana janoary, nanatanteraka hetsika ny […]