Auteur/autrice : Adnews

Nipitika teny an-tanan’ny reniny: Zazalahikeky roa taona maty voahitsaky ny fiara 4×4

Niparitaka tamin’ny tany ny atidohan’ilay zazalahikely vao 2 taona, voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana, omaly, tetsy Ankorondrano Tsaramasay. Voafaoka teny an-tanan’ny reniny ka nipitika izy nandritra ny fiampitana arabe. Zazalahikely vao 2 taona monja, maty voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana, tetsy Ankorondrano Tsa­rama­say, omaly tamin’ny 9 ora ma­raina. Handeha hiantsena ary niampita […]

“Haratonaina” : Ampiasaina ny niomerika

Novokarin’ny Tahirim-bola ampiasaina ho an’ny fampandrosoana (Fid) ny vovonana niomerika « M e tohy » ao anatin’ny tetikasa “Hara­tonaina”. Tanjona ny hanomezan-danja ireo mpisitraka efa mamokatra, hanamorana ny fampiatiana azy ireo amin’ny rohim-pihariana ara-barotra. Hita avy hatrany ao anatin’ny vovonana ireo vokatra (fambolena, fiompiana, taozavatra, sns) rehetra isam-paritra misy ny tetikasa. Sehatra […]

Ady amin’ny VIH sy ny SDSR: Mandray anjara ny depiote

Efa mijoro ny tambajotra parlemantera ho an’ny rariny ara-pananahana eny amin’ny Antenimie­rampirenena. Andraikitry ny depiote, rahateo, ny manao lalàna sy manatsara ny lalàna efa misy, ka andrasana aorian’ny atrikasa ny fanavaozana ny lalàna momba ny VIH/ Sida, araka ny nambaran’ny filohan’ny tambajotra, Dr Rajaobelina Lova. Ankoatra izay, manao adisisika amin’ny […]

Slalom Vovoka : Nanjakan’ny ekipazy FMMSAM ny fifaninanana

Notanterahina teny amin’ ny «circuit» Imerintsiatosika, ny sabotsy 25 sy ny alahady 26 jolay lasa teo, ny dingana faharoa amin’ny Slalom Vo­voka. Fifaninanana nokarakarain’ny klioba Tac’s. Nanjaka ny ekipazy FMMSAM tamin’ ity. Ny mpanamory avy amin’ izy ireo no nitana ny laharana roa voalohany, teo amin’ny sokajy fiarakodia. Nandrom­baka ny […]