Auteur/autrice : Adnews

Fifaninanana afrikanina : Mikasa haka mpilalao hanatevina azy ny FC Rouge

Klioba hisolo tena an’i Ma­dagasikara any amin’ny fia­diana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba, “Coupe de la Confédération Caf”, ny FC Rouge. Araka ny fanadiha­diana natao tamin’ny mpanazatra an’ity ekipa ity, Ratoloja­nahary Fenosoa na ny Coach Feno, omaly, mikasa haka mpilalao miisa fito na valo eo hanatevina azy ireo any […]

Sehatra bagasy « Zafy manahaka » : Hitambatra ny atrikefa sy ny zarasehatra

Hiova amin’ny mahazatra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Sehatra Ba­gasy ny volana aogositra izao ny Atrikefa/Zarasehatra « Zafy manahaka ». Hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro An­tsa­havola, ny sabotsy 8 aogositra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, izany. Seho sy fifanakalozana hotontosain’ireo zafin-dRako­toarisoa Ar-Well, mpitendry raikitry ny tarika […]

Rock mavesatra : Hankalaza ny faha-45 taona ny tarika Tselatra

Anisan’ireo tarika zokiny nivoy ny rock mavesatra teto Madagasikara ny tarika Tselatra. Mbola manohy ary mbola arahin’ny mpankafy hatrany. Hosokafana etsy Antsahamanitra ny fankalazana. “…Tia anao foana”. Io no nosafidiana ho lohatenin’ny fampisehoana hataon’ny ta­rika Tselatra ny alahady 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora, etsy Antsaha­manitra. Ivon’ny fanamarihana ny […]

Tsy tomombana ny laza adina: Homena “bonus” ny mpiadina tamin’ny bakalorea

Mitohy ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea eny amin’ny Oniversiten’­ Antananarivo, hatramin’ny omaly. Nandritra ny fivoriana iraisan’ny mpitsara rehetra, izay mpampianatra ny ankamaroany, nisongadina fa nisy tsy fahatomombanana betsaka ny laza adina natrehin’ny mpiadina. “Nahitana izany avokoa ny taranja rehetra na literera na siantifika”, hoy ny mpampianatra, mpitsara. Efa miverina isan-taona […]

Andron’ny fakiolten’ny EGS fahenina : Hisongadina ny « Espace entreprenariat »

Hotanterahina eny An­katso, mandritra ny hateloana, manomboka ny 30 jolay ho avy izao, ny Andron’ny fakiolten’ny toekarena, fitantanana ary ny sosiolojia (EGS), miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka JFP 2026. Tanjona ny hizarana vaovao sy tranga fitrandraka (fanararaotra) ho an’ny mpianatra ao amin’io sampam-piofanana io maniry hahafantatra ny asa samihafa misy eny […]